"Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza afa-tsy ny Ray ihany." - Mat. 24:36.
Mofon’aina:
Re avy any an-danitra ny feon'Andriamanitra manam-bara ny andro sy ny ora hiavian'i Jesosy sy milaza ny fanekena mandrakizay amin'ny vahoakany. Tahaka ny firiatry ny kotro-baratra faran'izay mafy no firohondrohon'ny feony mamakivaky ny tany.
Nahafantatra izany feo izany ary nahatakatra izay voalazany ireo olona masina 144.000; ny ratsy fanahy kosa nihevitra fa kotroka sy horohoron-tany izany.
Mijoro mihaino ny Isiraelin' Andriamanitra sady miandrandra ny lanitra. Hazavain'ny voninahitr' Andriamanitra ny endriny ary mamirapiratra tahaka ny tavan'i Mosesy raha nidina avy tany Sinay izy. Tsy nahatanty ny hijery azy ireo ny ratsy fanahy. Ary rehefa tononina amin'ireo izay nanome voninahitra an'Andriamanitra tamin'ny nitandremany ny Sabatany ho masina ny fitahiana, dia misy antsom-pandresena manakoako mafy.
Manomboka amin'izay ny taon-jobily izay tokony hitsaharan'ny tany.
Fahazavana be voninahitra namirapiratra teo amin'izy in [olona masina]. Endrey ny hatsara tarehiny! Nisinda avokoa ny maril ny fitebitebena sy ny faharerahana t( aminy ka fahasalamana sy fahatsara tarehy no hita taratra teo amin't endriny. Ny fahavalony kosa, in mpanompo sampy, dia lavo tamin'T tany toy ny maty; tsy nahatanty fahazavana namirapiratra teo amin'in olona masina nafahana izy. Nitoet teo amin'izy ireo izany fahazavana voninahitra izany mandra-pahitana an Jesosy teo amin'ny rahon'ny lanitra.
Nahita rahona manjelanjelatra aho Jesosy no teo amboniny. Nipetraka tt amin'izany rahona izany, izay nitond: Azy niantsinanana Izy; teo no nisehoar voalohany indrindra tamin'ireo olor masina eto an-tany: ilay rahor kely mainty izay famantarana r Zanak'olona. Raha niala tao amin't efitra masina indrindra ka nankar atsinanana io rahona io, naharit andro vitsivitsy izany, dia niankohol teo an-tongotr'ireo olona masina r synagogan'i Satana. — Ma, t. 287