"Mandehana, ry oloko, midira ao amin'ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana hianao, ka miere kely indray mipi-maso monja mandra-pahalasan'ny fahatezerana." - Isa. 26:20.
Mofon’aina:
At6i min'ny andron'ny fitsapana mahamay dia hoy i Kristy: . , "Mandehana, ry oloko, midira ao amin'ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana hianao, ka miere kely indray mipi-maso monja mandra-pahalasan'ny fahatezerana. " Efitrano inona moa izany natao hiafenan'izy ireo izany? Ny fiarovan' i Kristy sy ireo anjely masina izany. Tsy ho tafangona amin'ny toerana iray avokoa tsy akory ny vahoakan'Andriamanitra. Vondrona samy hafa no misy azy ireo, ary any amin'ny faritra samy hafa manerana ny tany.
Hitako ireo olo-masina mandao ireo tanan-dehibe sy vohitra, ka mitambatambatra ho vondrona, ary mipetraka amin'ny toerana mitoka-monina. Namatsy sakafo sy rano azy ireo ny anjely, fa ny ratsy fanahy kosa nampahorin'ny hanoanana sy ny hetaheta.
Nisy tranga lehibe manaitra nandalo teo anoloako nandritra ny alina. Toa nisy fisavorovoroana lehibe sy tafika miady. Nijoro teo anatrehako ny iraky ny Tompo anankiray nilaza hoe: "Antsoy ny ankohonanao. Izaho no hitarika anareo, manaraha ahy." Nitondra ahy tamin'ny lalana maizimaizina izy, lalana mamaky ny ala, avy eo teny antsefatsefaky ny tendrombohitra, ary hoy izy: "Eto no toerana azo antoka ho anareo." Nisy olona maro hafa koa notarihina ho eo amin'io fiafenana io. Hoy ilay iraky ny lanitra: "Tonga tahaka ny mpangalatra amin'ny alina ny andro mahory, araka ny efa nampitandreman'ny Tompo anareo."
Tsy ho afa-mandositra ny fahafatesana ny olo-marina raha tsy avy amin'ny asa fanompoana ataon'ny anjely masina, mandritra ny andro fahoriana izay ho tonga mialoha indrindra ny fiverenan'ny Tompo. Tsy mba hahazo izany fiadanana izany anefa ireo mpandika ny didin'Andriamanitra. (...)
Mbola hiasa amin-kery ho an'ireo izay mandray fanapahan-kevitrahentitra hiandany amin'ny fahamarinana ny Tompo amin'ny andro farany. (...) Amin' ny fanenjehana faran'izay mafy indrindra (...) dia hitoetra tsy ho azo hozongozonina ny olom-boafidy. Tsy hahalevona izay malemy indrindra amin'ireo olo-masina tsy akory i Satana sy ny miaramilany rehetra. Hisy anjely marobe hiaro azy ireo ary hiseho aminy ny Tompo amin'ny maha-"Andriamanitry ny andriamanitra" Azy, afaka hamonjy tanteraka izay rehetra mametraka ny fitokiany Aminy. — Ma, t. 270