«Mitadiava an'i Jehôvah, hianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehôvah.- Zef. 2:3.
Mofon’aina:
Tsy misy mampalahelo toy ny mahita ireo izay novidin'ny ran'i Kristy, nomena talenta hahafahany manome voninahitra an' Andriamanitra, manao ho fihomehezana ny hafatry ny fahasoavana nalefa ho azy ireo ao amin'ny filazantsara, manda ny maha-Andriamanitra an' i Kristy, ary dia mitoky amin'ny fiheverany voafetra sy amin'ny hevitra tsy misy fototra ijoroany. Rehefa tsapain'ny fahoriana, ary rehefa mifanatrika amin'ny fahafatesana, dia manjavona tahaka ny zavona rehefa tonga ny masoandro ireo lainga izay nokolokoloina ireo.
Mafy ery ny mijoro manoloana ny vatana mangatsiaky ny olona nanda ny antson'ny famindrampon'Andriamanitra! Mafy ery ny miteny: Fiainana very ity! Olona iray afaka nahatratra tanjona ambony indrindra ity, nefa dia nomeny hofehezin'i Satana ny fiainany, lasa voababon'ny filozofian'olombelona, ka nanj ary kilalaon'ilay ratsy! Vatofantsika ho an' ny fanahy ny fanantenana kristianina, sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin'ny efitra lamba; tany no nidiran'i Jesôsy ho Mpialoha antsika. Manana asa manokana hatao isika hiomanana ho amin'ilay trangan-javatra lehibe manoloana antsika.
Tokony hitady an'Andriamanitra amin'ny fo kokoa ny tanora. Avy ny tafiotra, ary tokony ho vonona amin'ny fahatezerany isika amin'ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana ny Tompo Jesôsy Kristy. Hitsangana hampihorohoro ny tany ny Tompo. Hahita fahoriana maneran-tany isika. Sambo an'arivony no ho voatsipy any amin'ny ranomasina lalina. Sambo mpiady maro no ho rendrika ary aina an-tapitrisany no hatao sorona. Hisy afo hirongatra tsy ampoizina, ary tsy hahavono azy ny fiezahana ataon'ny olona. Lapa betsaka no hanjavon'ny hasiaky ny afo. Hihamatetika ny lozan-dalam-by; fisavoritahana sy fifandonana ary fahafatesana tsy misy fampitandremana no hitranga eny amin'ny lalam-ben'ny fifamoivoizana. Akaiky ny farany, hikatona ny androm-pahasoavana. 0, andeha hitady an'i Jehôvah dieny mbola hita Izy, hiantso Azy dieny mbola akaiky Izy! Hoy ny mpaminany: «Mitadiava an'i Jehôvah hianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny; tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehôvah.» - Ma, t. 161