"Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an 'Andriamanitra." - Sal. 69:32.
Mofon’aina:
Tombon-tsoa lehibe ho anao ny mifaly ao amin'i Jehôvah sy ny fahalalana ny fahasoavany izay mamelona antsika. Avelao ny fitiavany hanenika ny saina sy ny fonao. Mitandrema fa andrao reraka loatra ianao, na trotraky ny fiahiana sy ketraka. Manaova fijoroana ho vavolombelona manandratra. Ampanalaviro ny masonao ny haizina sy ny zava-mahakivy, ka banjino i Jesôsy ilay Mpitarika antsika lehibe, izay anolorantsika ny tenantsika sy ny amintsika rehetra, sy manara-maso ny asan'ny fahamarinana ankehitriny sy mampahomby izany. (...)
Aoka ho hita taratra fa mitoetra ao am-po i Jesôsy, manohana sy mampahery. Tombontsoa lehibe ny andraisanao isan'andro isan'andro ny fatra fenon'ny Fanahy Masina, ary koa ny manana fomba fijery mivelatra ny amin'ny maha-zava-dehibe ny hafatra torintsika amin'izao tontolo izao. Vonona ny haneho aminao zava-mahatalanjona ao amin'ny lalàny Andriamanitra. Miandrasa Azy amim-panetren-tena. Manaova vavaka mafana mba hahatakaranao ny amin'ny vanim-potoana iainantsika, mba hahatakaranao amin'ny fahafenoany koa ny fikasany, ary mba hampitomboana ny fahombiazanao eo amin'ny asa famonjem-panahy. (...)
Mahasoa antsika ny fisaintsainana ny zavatra hitranga eto an-tany. Tsy fotoana anaovan-javatra tsy misy heviny izao na koa ikatsahana izay ho an'ny tena. Raha toa tsy manaitra ny fisainantsika ny fotoana atrehintsika amin'izao, inona no mety hanjo antsika? (...)
Ilaina tokoa amin'izao andro izao ny olona manana fahatakarana tsara. Miantso ireo izay vonona hotarihin'ny Fanahy Masina Andriamanitra mba hanao asa fanavaozana. Toe-java-tsarotra no manoloana antsika, ka miantso ny mpiasany i Jehôvah mba hirotsaka an-daharana. Aoka ny fanahy tsirairay hanana fanoloran-tena marina sy lalina kokoa ho an'Andriamanitra mihoatra noho ny tamin'ny taon-dasa rehetra. (...)
Nanaitra ahy tokoa ny toe-javatra naseho ahy nandritra ny alina. Toy ny fihetsehana lehibe no hitako - fifohazana hita tany amin'ny toerana .maro. Nirotsaka an-daharana ny olona hanoina ny antson'Andriamanitra. (...) Moa ve isika tsy hanoina ny antsony? Moa ve isika tsy hamboatra ny fanalantsika ka hanao tahaka ny olona miandry ny fiavian'ny Tompony? Fotoana tokoa hiasana sy hitondrana fahazavana izao. — Ma, t. 159