"Mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao." - Fil. 2:15.
Mofon’aina:
Tanjon' Andriamanitra ny haneho ny fitsipiky ny fanjakany amin'ny alalan'ny olony.(...) Tian'Andriamanitra ny hanasaraka azy ireo amin'ny fomba amam-panao ary ny fahazaran'izao tontolo izao. Tokony hiseho eo imason'izao tontolo izao ny toetran'Andriamanitra rehefa mandinika ny fahatsarana sy ny famindram-po, ny fahamarinana ary ny fitiavan'Andriamanitra hita eo amin'ny fiangonany izy ireo. Ary (...) na izao tontolo izao aza dia hanaiky ny fahambonian'ireo izay tia sy matahotra ary manompo an'Andriamanitra, mihoatra noho ny olona hafa rehetra eto ambonin'ny tany.
Tokony ho ohatra amin'ny fahamasinana mihoatra noho ny olona rehetra ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito (...). Amin'ny olombelona rehetra dia izy ireo no nanankinana ireo fahamarinana lehibe indrindra. Nomena azy mitafotafo ny fahasoavana sy ny hery ary ny fahombiazana. Miandry ny fiverenan'i Kristy tsy ho ela eny amin'ny rahon'ny lanitra izy ireo. Ho azy ireo dia fanalam-baraka an'Andriamanitra ny famelana izao tontolo izao hihevitra fa tsy hery manjaka eo amin'ny fiainany ny finoana.
Feno loza ho an'ny zanak'Andriamanitra izao andro iainantsika izao noho ny fitomboan'ny herin'ny fakam-panahy alefan'i Satana. Koa mila mianatra mandrakariva amin'ilay Mpampianatra lehibe isika mba handrosoantsika amim-pitokiana sy amim-pahamarinana (...). Tranga lehibe tokoa no miandry antsika; ary tokony hijoro ho vavolombelona amin'ny alalan'ny fiainany (...) ireo izay milaza fa olon'Andriamanitra, mba hahitan'izao tontolo izao fa amin'izao andro anjakan'ny faharatsiana izao, dia mbola misy olona izay (...) mikatsaka kosa hanao ny sitrapon'Andriamanitra, olona izay manana ny lalàn'Andriamanitra voasoratra ao am-pony sy eo amin'ny fiainany.
Tokony hadio ny fisainany, ary ho mendrika sy hanandratra ny fiteniny, hisarika ireo manodidina azy hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Tsy maintsy ho toy ny voatenona amin'izay rehetra lazainy sy ataony ny fivavahan'i Kristy. Tokony ho vahoaka voatokana, madio, ary masina izy ireo, ka hampita ny fahazavana amin'izay rehetra mifanerasera aminy. S itrapon'ny Tompo ny hahatonga azy ireo ho fiderana ny Anarany eto ambonin'ny tany amin'ny fanehoany ny fahamarinana eo amin'ny fiainany. Ampy hahatanteraka izany ny fahasoavan'i Kristy. — Ma, t. 113