"Tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason'ny olona ary tao amin'ny isan-trano." — Asa. 20:20.
Mofon’aina:
Amin' ireo mambran'ny fiangonantsika dia tokony hihamaro kokoa ireo mpitarika fianarana Baiboly isan-tokantrano sy mpampiely boky. Rehefa mamafy eny amoron'ny rano rehetra eny isika dia hahatsapa fa «izay mamafy be, dia be no hojinjany.»
Ny ohatra nasehon'i Kristy dia tsy maintsy alain'ireo izay mitonona ho mpianany tahaka. Ampio ireo malahelo. Ireo hevitra mibahana mialoha dia ho resin'ny fankasitrahan'izy ireo ka ho takatrareo ny fony. (...) Afaka manao asa ao amin'ny ankohonany ny vehivavy, dia asa izay tsy vitan'ny lehilahy, asa izay mahatratra ny fiainana anaty. (...) Ireo vehivavy tsy tia sehoseho sy manetry tena dia afaka manao asa tsars amin'ny fanazavana ny fahamarinana amin'ireo olona ao an-tokantranony. Ny Tenin'Andriamanitra ampianarina toy izany dia hanao ny asan'ny masirasira ka (...) hiova fo ny ankohonana manontolo.
Eo anivon'ny tokantrano, any an-tranon'ny mpifanolo-bodirindrina aminao, na eo an-tongo-pandrian'ny marary dia azonao atao ny miasa mangina amin'ny famakiana ny Soratra Masina sy ny fanambarana teny momba an' i Jesôsy sy ny fahamarinana. Amin'izany dia misy voa sarobidy azonao afafy ka hamelana sy hitondra vokatra any aoriana any. (...)
Tokony hiorim-paka ao anatintsika ny toe-tsaina misiônera, hanesika antsika hanatratra ireny sokajin'olona izay tsy nokasaintsika hiasana velively ireny, sy ireny toerana izay tsy azontsika an-tsaina ireny ny fomba tokony hiasana aminy. Manana planina ny Tompo momba ny famafazana ny voan'ny filazantsara. Rehefa mamafy voa araka ny sitrapony isika dia hampitombo be ny voa, ka afaka hanatratra olona an'arivony maro, izay tsy mbola nandre velively ny fahamarinana, ny Tenin'Andriamanitra.
Anjely alinalina sy arivoarivo no miandry fiaraha-miasa avy amin'ny mambran'ny fiangonantsika, ho fampitana ny fahazavana izay efa natosak'Andriamanitra, mba hisy vahoaka ho vonona ho amin'ny fiavian' i Kristy.
Ireo rahavavintsika, ny tanora, ny zatovo, ary ireo efa nahazoazo taona dia afaka mandray anjara avokoa ankehitriny amin'ny famitana ity asa ity. Ary rehefa manao izany izy ireo (...) dia hahazo ho an'ny tenany traikefa ambony indrindra. Hitombo amin'ny fahasoavana izy ireo rehefa manadino ny "izaho". — Ma, t. 104