Vakio ny Jao. 1:14,17; Jao. 8:32; Jao. 14:6 sy ny Jao. 15:26. Ahoana no ampifandraisan'i Jaona mivantana ny fahamarinana amin'i Jesôsy ?
Manerana ny filazantsaran'i Jaona dia mifandray amin'i Jesôsy, amin'ny Rainy, ary amin'ny Fanahy Masina ny fahamarinana. Mifandray amin'i Jesôsy, llay Teny (logos), ny fahamarinana, ary koa amin'ny fahazavana izay mifanohitra amin'ny maizina (Jao. 1:1-14, Jao. 3:19-21). Ary ny lainga kosa dia mifandray amin'ny devoly sy ny fahotana (Jao. 8:44-46). Koa ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, ny fahamarinana dia tsy resaka tranga ara-tantara na tarehimarika fotsiny. Ekena fa tafiditra ao anatiny izany. saingy ny famaritana ny fahamarinana dia misy lafiny ara-pitondran-tena, fahatokiana amin Andriamanitra sy ny sitrapony.
"Betsaka no mitomany mitady an'Andriamanitra velona, ary maniry indrindra ny fanatrehany. Ireo vinavinan-kevitra araka ny filozófia na ireo famoaboasana ao amin'ny haisoratra, na mamirapiratra toy inona aza dia tsy mampitony ny fo. Tsy misy vidiny ny fanantitranterana sy ny zavatra noforonin'ny olona. Aoka ny Tenin'Andriamanitra no hiteny amin'ny vahoaka. Aoka ireo izay tsy nandre afa-tsy lovan-tsofina sy vinavinan-kevitr'olombelona ary teny zary ohabolana, handre ny feon'llay afaka manavao ny fanahy ho amin'ny fiainana mandrakizay amin'ny teniny." - HF, t. 24.
Saino ny hoe: midika inona ho an'i Jesôsy ny maha-Fahamarinana Azy? I Jesôsy no logos, Ilay Teny tao amin'Andriamanitra hatrany am-boalohany, Izay Mpahary izao zavatra àry rehetra izao (Jao. 1:1-4). Iray amin'Andriamanitra i Jesôsy, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay, koa manana ny toetra mampiavaka ny Ray Izy, ary araka izany dia Izy koa no "IZAHO IZAY IZY". Tsy miankina na amin'iza na amin'iza ny fisiany. Tsy mety hisy na inona na inona, anisan'izany ny fahalalana, raha tsy eo Izy. Izay rehetra misy, izay rehetra nohariana, dia i Jesôsy no nahary azy, ary ao Aminy koa no ahaveloman'izy rehetra. "Fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etý ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra." - Kôl 1:16,17
Tsy maneho ny fahamarinana fotsiny i Jesôsy fa Izy mihitsy no fahamarinana. Tsy hevitra na tsangan-kevitra ny fahamarinana, fa Olona!
Toy ny masoandro manazava izao tontolo izao ny fahamarinana, dia i Jesôsy Kristy (Jao. 8:12). Miombon-kevitra amin'izany i C. S. Lewis raha nilaza toy izao momba ny fivavahana kristianina: "Mino ny fivavahana kristianina aho, tahaka ny inoako ny fiposahan'ny masoandro. Tsy hoe satria hitako izany, fa satria hitako koa ny zavatra hafa rehetra." "Is Theology Poetry?" (n. p.: Samizdat University Press, 2014), t. 15, naseho voalohany tamin'ny taona 1944. Amin'ny alalan'i Jesôsy , Ilay Fahamarinana, no ahafahantsika mahatakatra mazava araka ny tokony ho izy ny tontolo manodidina antsika