"Izay nasehon’Andriamanitra tamin'ny rany ho fanavotana amin 'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian 'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany, mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an 'i Jesôsy ." - Rôm. 3:25,26
Mofon'aina:
Hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany" hoy ny apôstôly Paoly, "noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesôsy, Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny rany ho fanavotana amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin 'ny nandeferany, mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an 'i Jesôsy ." - Rôm. 3:24-26. Haseho mazava ny fahamarinana eto. Tsy mendrika izany famindram-po sy fahasoavana izany isika. Manamarina maimaimpoana ny mpanota ny fahasoavan'i Kristy na dia tsy mendrika izany aza izy (...). Famelana feno sy tanteraka ny fahotana ny fanamarinana. Amin'ny fotoana andraisan'ny mpanota iray an'i Kristy amin'ny finoana no amelana ny fahotany. (...) (...) Tsy mahaisotra ny fahamelohantsika ny finoana. (...) Amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Jesôsy Kristy no ahazoantsika fanamarinana. Efa naloany ny sandan'ny fanavotana ny mpanota. Amin'ny alalan'ny finoana ny rany ihany anefa no hanamarinany ny mpino.
Tsy azon'ny mpanota atao ny miantehitra amin'ny asa soa mba hanamarinana azy. Tsy maintsy tonga amin'ny fahafoizana ny fahotany rehetra izy ary mandray fahazavana tsikelikely raha mamiratra eo amin'ny lalany izany. Amin'ny finoana no handraisany ny fanomezana lehibe sy maimaimpoana atolotra ao amin'ny ran'i Kristy. (...) (...) Ny fihavanana amin'Andriamanitra no vokatr'izay ataon'i Kristy ho azy. Hahazo fahazavana avy any an-danitra ny fanahy izay milefitra eo ambany sitrapon'Andriamanitra sy manome voninahitra Azy ary mpanatanteraka ny Teniny. Misy fahadiovana sy fahamboniana ary fahatsaran-tarehy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra sarobidy (...). Tsy misy fialan-tsiny azontsika ambara manoloana ny famotsorantsika ny tanan'Andriamanitra, na inona na inona fizahan-toetra misy. Mety tsy hangoraka antsika ny olombelona fa Andriamanitra kosa dia mbola tia sy mangoraka ary manatsotra ny Tanany hanampy antsika. (...) Tian'Andriamanitra raha mangataka Aminy ny zanany ary koa matoky Azy fa hataony ho azy ireo ny zavatra izay tsy hainy atao ho an'ny tenany. - RC, t. 78