Nandray anjara mavitrika tamin'ny fandaminana ny fotoana nandritra ny fanompoam-pivavahan’ny Isiraely i Davida mpanjaka izay manana ny anarany misoratra eo amin'ny lohatenin'ny ankamaroan'ny Salamo. 'Mpanao fihirana mahafinaritra amin'ny Isiraely no iantsoana azy (2 Sam. 23:1). Salamo samihafa no ambaran’ny Testamenta Vaovao fa nosoratan'i Davida (Mat. 22:43-45; Asa. 2:25-29,34,35; Asa. 4:25; Rôm. 4:6-8). Salamo marobe no nosoratan’ireo mpihira tao amin’ny tempoly izay Levita ihany koa: ohatra amin’izany ny Sal. 50 sy ny Sal. 73-83 nosoratan'i Asafa; ny Sal. 42, ny Sal. 44-47, ny Sal. 49, ny Sal. 84, ny Sal. 85 ary ny Sal. 88 izay nosoratan’ireo zanak’i Kora; ny Sal. 88 nosoratan’i Hemana Ezrahita. Ankoatra ireo, dia nanoratra Salamo koa i Sôlômôna (Sal. 72 sy Sal. 127) sy i Mosesy (Sal. 90).
Vakio ny Sal. 25:1-5; Sal. 42:1; Sal. 75:1; Sal. 77:1; Sal. 84:1,2; Sal. 88:1-3 ary ny Sal. 89:1. Inona no ambaran'ireo Salamo ireo momba ny fanandramana nolalovan’ireo mpanoratra azy?
Ny Fanahy Masina no nanome tsindrimandry ireo mpanao Salamo sy nampiasa ny talentan’izy ireo ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fiarahamonin’ny mpino nisy azy. Olona nanana fanoloran-tena marina ny mpanao Salamo ary nanana finoana lalina kanefa tratry ny fahakiviana sy ny fakam-panahy, tahaka antsika ihany. Na efa ela aza no nanoratana ny Salamo dia azo antoka fa maneho taratra ny sasany amin’ireo fanandramana iainantsika ankehitriny izany.
“Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; atongilano amin'ny fitarainako ny sofinao; fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita" – Sal. 88:2,3. Fitalahoan’ny fanahy amin'izao taonjato faha-21 izao izany, tahaka izay nataon’ny olona 3.000 taona lasa izay.
Miresaka ny amin’ny toe-java-tsarotra ny mpanao Salamo sasany; ny sasany kosa mifantoka amin’ny fifaliana. Nitalaho tamin’Andriamanitra ireo mpanao Salamo mba hamonjy azy, ary niaina ny fanandraman'ny fahasoavana izay tsy mendrika azy izy ireo. Nanome voninahitra an’Andriamanitra izy ireo noho ny Fahatokiany sy ny Fitiavany, ary nambarany ny fanoloran-tenany tsy mety sasatra ho Azy. Araka izany, ny Salamo dia vavolombelon’ny fanavotan’Andriamanitra sy famantarana maneho ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanantenana. Mampita ny teny fikasan’Andriamanitra amin’izay rehetra mandray amin’ny alalan’ny finoana ny fanomezana atolony – ny famelan-keloka sy ny fiainam-baovao – ny Salamo. Eo andanin’izay anefa, dia tsy manao izay hanarontsaronana na hanafenana, na koa hanamaivanana ny zava-tsarotra sy ny fahoriana manjaka eto amin'ny tontolo lavo izany.
Ahoana no ahazoantsika fanantenana sy fampaherezana amin'ny fahafantarana fa na ny olona mahatoky tahaka ny mpanao Salamo aza dia nitolona tamin'ny zavalra izay atiehintsika ankehitriny koa?