Vakio ny IFM, toko 17: "Nikodemosy".
"Nandinika ny Soratra Masina tamin'ny fomba vaovao" i Nikodemosy, "tsy hoenti-mifamaly momba ny hevitra iray, fa mba handraisana fiainana ho an'ny fanahy. Nanomboka nahita ny fanjakan'ny lanitra izy raha nampilefitra ny tenany hotarihin'ny Fanahy Masina. (...)
"Amin'ny alalan'ny finoana no andraisantsika ny fahasoavan'Andriamanitra: tsy ny finoana anefa no Mpamonjy antsika. Tsy mahazo na inona na inona izany. Tanana izay hamikirantsika an'i Kristy izany, ka handraisantsika ho an'ny tenantsika ny fahamendrehany, ho fanafodin'ny fahotana. (...) Avy amin'i Kristy tahaka ny maha-avy Aminy ny marina, ny famelan-keloka sy ny fibebahana.
"Ahoana ary no hahavoavonjy antsika? 'Tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra', no nanandratana koa ny Zanak'olona, ary izay rehetra voafitaka sy voakaikitry ny menarana, ka afaka mijery dia ho velona. 'Indro ny Zanak'ondrin‘Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao.'- Jao. 1:29. Ny fahazavana mamirapiratra avy amin'ny hazo fijaliana dia maneho ny fitiavan'Andriamanitra. Ny fitiavany no mitaona antsika ho eo Aminy. Raha tsy manohitra io fitaomana io isika dia ho voatarika eo am-pototry ny hazo fijaliana, hibebaka noho ireo fahotana izay nanombo ny Mpamonjy teo amin'ny hazo dia mahatonga fijaliana. Amin'izay, aina vaovao ao amin'ny fanahy ny Fanahin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana. Voababo hankato ny sitrapon'i Kristy ny fisainana sy ny faniriana. Voaforona indray ny fo, ny saina ho araka ny endrik'llay miasa ao anatintsika mba hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy. Amin’ izay dia voasoratra ao an-tsaina sy ao am-po ny lalàn'Andriamanitra, ary azontsika atao ny miteny miaraka amin'i Kristy hoe: 'Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô no sitrako." - Sal. 40:8.-IFM, t. 128,129 (ed. 2023).
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Hanomana ny lalana hidiran'i Jesôsy no nahatongavan'i Jaona mpanao batisa. Manao ahoana ny fahitanao ny asany? Nahomby ve izy, farafahakeliny araka ny fijery maha-olombelona anao? Eo am-pisaintsainanao ny valiny dia apetraho koa ity fanontaniana manan-danja ity: Ahoana no hamaritanao ny atao hoe "fahombiazana" ara-panahy?
2. Taty aoriana dia naneho ny fisalasalana tao am-pony i Jaona mpanao batisa (Mat. 11:2,3; Lio. 7:19). Inona no nahatonga azy hametraka ireo fanontaniana ireo, ary inona ny lesona azontsika raisina avy amin'izany ny amin'ny fomba hanamafisana ny finoantsika?
3. Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasy ny hoe: ahoana no mahatonga ny olona tahaka an'i Nikodemôsy, izay mpitarika ao amin'ny fiangonana, olona izay azo antoka fa manam-pahalalana be tokoa, ho tsy ampy fahalalana momba izay zavatra tena manan-danja ara-panahy?