Mesia hanafaka azy ireo amin'i Rôma no nandrandrain'ny firenena hebreo. Ny tanjon'i Jaona ao amin'ny filazantsarany dia ny hanova ny fomba fihevitry ny olona momba ny Mesia mba hahazoany mahafantatra ny fahatanterahan'ny faminaniana mikasika Ilay Mpanjaka ho avy, ao amin'i Jesôsy . Tsy ho mpanapaka eto an- tany ny Mesia. Tonga hanatanteraka ireo teny fikasana rehetra ao amin'ny TT mikasika ny Tenany Izy, ao anatin'izany ny fanaovana sorona ny Tenany ho an'izao tontolo izao, ary koa hanavao ny fifandraisana eo amin'Andriamanitra sy ny vahoakany.
Vakio ny Jao. 1:29-37. Inona ny fanambarana nataon' i Jaona mpanao batisa momba an'i Jesôsy? Inona ny sary ampiasainy anoritsoritana Azy, ary nahoana no zava-dehibe tokoa izany hahatakarana ny maha-Izy an' i Jesôsy sy ny asa nanirahana Azy?
Manohana ny tanjon'ny filazantsaran'i Jaona ny fanambaran'i Jaona mpanao batisa an'i Jesôsy ho Ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra, mba hananan'ny olona fomba fijery vaovao momba ny asa sy ny toetoetry ny Mesia. I Jesôsy tokoa no ho fahatanterahan'ny teny fikasana ao amin'ny rafi-pisoronana, Ilay mpanavotra nampanantenaina, araka ny teny fikasana nomena voalohany ao amin'ny Gen. 3:15.
"Tamin'ny batisan'i Jesôsy, raha nanondro Azy amin'ny naha-Zanak' ondrin'Andriamanitra Azy i Jaona, dia nisy fahazavana vaovao izay nitosaka teo amin'ny asan'ny Mesia. Notarihina teo amin'ny tenin'Isaia ny sain'ny mpaminany dia ilay manao hoe: 'Tahaka ny Zanak'ondry entina hovonoina'- IFM, t. 96 (ed. 2023).
Vakio ny Mar. 10:45, Rôm. 5:6, sy ny 1 Pet. 2:24. Ahoana no anampian'ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny asan'i Jesôsy amin'ny maha-Zanak'ondrin'Andriamanitra Azy?
Na dia nilain'i Jaona mpanao batisa aza ny nianatra misimisy kokoa momba ny asan'i Jesôsy, dia azony antoka tokoa fa i Jesôsy no ilay Mesia nampanantenaina, Ilay tonga hahatanteraka ny faminaniana.
Saintsaino lalina ny amin'llay fiantsoana an'i Jesôsy hoe "Zanak'ondrin'Andriamanitra". Inona ny sary asehon'izany ao an-tsaintsika? Misy ifandraisany amin'ny rafi-pisoronana ao amin'ny T T io fiantsoana io. Ahoana no anampian'izany anao hahatakatra ny halehiben'ny vidin'ny nanavotana antsika?