"Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria." - Dan. 12:3.
Mofon'Aina:
Maro, eny marobe no ho taitra mafy rehefa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny Tompo. Aoka isika hiambina sy hivavaka andrao avy tampoka Izy ka hahita antsika matory. Voahetsika lalina ny ati-fanahiko rehefa mieritreritra ny zavatra rehetra tokony hataontsika ho famonjena ny fanahy very. Ny fitoriantsika ny hafatra fampitandremana no natao hahatanteraka ilay faminanian' i Daniela hoe: "maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana." — Dan. 12:4. (…)
Ny famonjem-panahy no tokony ho laharam-pahamehantsika. Malahelo aho mahita olona maro miravoravo amin'ny harena ara-nofo; zara raha mikatsaka ny harena any an-danitra mantsy ireo izay manan-karena eto amin'izao tontolo izao. Tandindomin-doza ho latsaka amin'ny fakam-panahy sy ho azom-pandrika amin'ny filana feno hadalana sy manimba izy, izay misarika ny olona ho amin'ny fandringanana. (...)
Mila miorina mafy kokoa amin'ny "izao no lazain’i Jehôvah" isika, mba tsy hitoky amin'ny fihetseham-po na hobaikoin'izany. Manasa antsika hitsahatra ao amin'ny fitiavany Andriamanitra. Tombon-tsoantsika ny mahalala ny Tenin'Andriamanitra, izay mpitari-dalana tsy mety diso, voazaha toetra, toky azo antoka. (...) Aoka isika hino sy hatoky, ary ho ambentin-dresatsika ny finoana sy ny fanantenana ary ny herim-po. Aoka ho ao am-pontsika sy eo am-bavantsika, mihoatra lavitra noho teo aloha, ny fiderana an'Andriamanitra. "Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy." — Sal. 50:23. (...)
Tombon-tsoantsika ny mitsahatra ao amin'ny finoana miasa sy velona an' i Kristy Mpanome fiainana, ny mahafantatra tsara, miaraka amin'ny olona masina rehetra, izay sakany sy lavany ary ny haavony sy halaliny, ary mahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, ary ny hofenoina amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra. (...) Tokony hisaintsaina ny amin'i Jesôsy mihoatra noho izao isika. (...) Azo antoka fa manana antony marobe hiderana an'Andriamanitra amin'ny fo sy fanahy ary feo isika, manao hoe: "Hidera ny Tompo aho noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany ahy" (...)
Asandrato Izy, i Kristin'i Kalvary; asandratro lzy mba ho afaka hibanjina Azy izao tontolo izao. - UL, t. 37.