Vakio ny Mar. 1:14, 15. Inona ireo fizarana telo ao amin'ny hafatry ny filazantsara notorin'i Jesôsy ?
Fintinin'i Marka toy izao ny hafatra nentin'i Jesôsy, İzay tsotra sy mivantana:
Fizarana Hafatra
Fotoana ara-paminaniana Efa tonga ny fotoana.
Teny fikasan'ny fanekena Efa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra.
Antso ho tonga mpianatra Mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.
Ny fotoana ara-paminaniana resahin'i Jesôsy eto dia ny amin'ny 70 herinandro ao amin'ny Dan. 9:24-27. Tanteraka teo amin'ny batisan'i Jesôsy io faminaniana io, izay nandraisany ny hosotry ny Fanahy Masina sy nanombohany ny asany (Asa. 10:38). Aseho eto amin'ity kisary manaraka ity io faminaniana mahagaga momba ny 70 herinandro io:
Ny andro iray dia taona iray ao amin'ny faminaniana (Nom. 14:34; Ezek. 4:6). Nanomboka tamin'ny taona 457 TIK ny faminaniana, niaraka tamin'ny didy navoakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia, momba ny famitana ny asa fanamboarana an'i Jerosalema (jereo ny Ezra 7).
Tonga hatreo amin'ny taona 27 Trk ireo 69 herinandro ara-paminaniana; io no fotoana nanaovana batisa an'i Jesôsy ka nandraisany ny hosotry ny Fanahy Masina hanombohany ny asany. Telo taona sy tapany taorian'io no nanomboana an'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana.
Farany, tonga tamin'ny fahafenoany ny 70 herinandro tamin'ny taona 34 TrK, rehefa notoraham-bato i Stefana, ka nanomboka nitodika tany amin'ny Jentilisa, sy ny Jiosy koa, ny fitoriana ny hafatry ny Filazantsara.
Oviana ny nandinihanao farany ny faminaniana momba ny 70 herinandro? Raha takatrao izany, ahoana no ampitomboan'izany ny finoanao, tsy ny finoanao an'i Jesôsy ihany fa ny maha-azo antoka ny teny faminaniana koa?