Vakio ny Sal. 126. Inona no mitondra hery sy fanantenana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra? Inona no ambara amin'io tontolon-kevitra io izay azontsika ampiharina eo amin‘ny fiinantsika ankehitriny?
Loharano tsy mety ritran'ny faherezana sy fanantenan’ny vahoakan’Andriamanitra ny amin'ny hoavy ny fanafahana mahagaga nataon’Andriamanitra taminy tamin’ny lasa. Lehibe tokoa ny fanafahan’Andriamanitra azy ireo tamin'ny lasa ka toy ny fanandraman'ny nofinofy izay tanteraka no anoritsoritana izany (Isa. 29:7,8). Mariho fa babo ireo taranaka izay midera an’Andriamanitra ao amin’ny Sal. 126 noho ny nanafahany ny vahoakany babo tamin'ny lasa (Sal. 126:1; 4).
lainan’izy ireo indray amin'ny alalan'ny hira ny fifaliana tamin'ny lasa sy ny fahamaivamaivanana ary ampifanarahany amin’ny fanandramany ankehitriny. Hazonin‘ireo taranaka vaovao ho velona ny tantaran'ny Baiboly ka ataony toy ny hoe nanatrika izany niaraka tamin‘ireo niaina izany fanandramana izany izy ireo. Araka izany, ny finoana velona dia mankasitraka ny asa lehibe nataon’Andriamanitra ho an'ny olony tamin’ny lasa toy ny hoe nataon’Andriamanitra ho antsika mihitsy izany fa tsy zavatra tsotra nataon’Andriamanitra ho azy ireo irery (ireo taranaky ny mpino tamin’ny lasa)..
Raha ny marina, dia mitondra fanantenana vaovao ho an'ny ankehitriny ny fahatsiarovana ny lasa. Ny sarin’ny “riaka any amin‘ny tany atsimo” (Sal. 126:4) dia saryan’ohatra mahery vaika hoenti-milaza ny asa tsy nampoizina ataon’Andriamanitra sy ny fiasany amin-kery ho an'ny vahoakany. Tany hay ny tapany atsimo indrindra tany Joda. Tampotampoka no iforonan'ny sakeli-drano ka tonga rano be izany aorian'ny rotsak’orana be mandritra ny fahavaratra. Nitana anjara toerana lehibe teo ‘amin’ny fahombiazan'ny taom-pambolena ny lohaorana sy ny faraorana (Deo. 11:14; Deo. 28:12). Tahaka izany koa, ny sary maneho ny famafazana amin-dranomaso sy ny fijinjana amim-pifaliana (Sal. 126:5, 6) dia teny fikasana manan-danja momba ny fitarihan’Andriamanitra avy amin’ny toe-java-tsarotry ny ankehitriny ho amin’ny hoavy feno fifaliana.
Ny fifaranan’ny fotoam-pijinjana no fotoana nitondran'ireo Hebreo fahiny ny voaloham-bokatra ho any amin’ny tempolin'i Jehévah tany Jerosalema (Eks. 34:22, 26). Nitondra lesona ara-panahy ho an'ny olona tamin'izany fotoana izany ny lohahevitry ny fijinjana. Tahaka ny asa mafin’ny famafazana sy ny fiasana ny tany sy ny tanimboly ary ny tanim-boaloboka izay novaliana soa tamin’ny fijinjana feno fifaliana, ny fizahan-toetra samihafa izay mahazo ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny koa dia hosatrohana ny satroboninahitry ny fifalian’ny famonjena amin'ny andro farany. Manondro ny famerenan’Andriamanitra amin’ny laoniny ny fanjakany eto an-tany, amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany, ny sarin'ny fijinjana lehibe (Am6. 9:13-15; Mat. 9:37). Voaresaka indray eto ny lohahevitry ny fiandrasana. Tahaka ny amin’ny fijinjana, dia tsy maintsy miandry isika vao hahita ny voa sy ny vokatry ny asa mafy natao.
Saintsaino ny amin'ny fotoana nahitanao mazava sy miharihary ny « niasan'Andriamanitra teo amin'ny fiainanao sy teo amin'ny fiainan'ny hafa. Ahoana no ahazoanao fanantenana avy amin'ireny fanandramana ireny mba hiatrehanao izay toe-javatra iainanao ankehitriny?