Vakio ny IFM, toko 51: "Ny fahazavan'aina", sy ny boky The Certainty of the Second Coming. "The Authority of the Bible and the Certainty of the Second Coming", tt. 23-36.
Rehefa nilaza i Jesôsy hoe: "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao", "dia tao amin'ny kianjan'ny tempoly izay nanaovana ny fanompoana teo amin'ny Fetin'ny Tabernakely no nisy Azy. "Nijoalajoala teo afovoan'io kianja io ireo tongotra fanaovan-jiro roa avobe, izay nihantonan'ny fitoeran-jiro lehibe dia lehibe. Taorian'ny fanatitra hariva, dia narehitra ny jiro rehetra, ka nampitosaka ny fahazavany tamin'i Jerosalema. Natao ho fahatsiarovana ilay andrian'ny fahazavana izany fanompoam- pivavahana izany sady noheverina koa ho manondro ny fiavian'ny Mesia. Ny hariva, rehefa narehitra ny jiro, dia tonga toeram-piravoravoana lehibe ny kianja. (...)
"Ny fanazavana an'i Jerosalema dia nanehoan'ny vahoaka ny fanantenany ny fiavian'ny Mesia izay hanaparitaka ny fahazavany amin'ny Isiraely. Ho an'i Jesôsy anefa dia nalalaka kokoa ny dikany. Toy ny jiro mamirapiratry ny tempoly izay manazava ny manodidina azy rehetra, dia toy izany koa Kristy, loharanon'ny fahazavana ara-panahy, izay manazava ny haizina eo amin'izao tontolo izao. Tsy tanteraka anefa ny tandindona. Ilay fahazavana lehibe izay napetraky ny tanany teo amin'ny lanitra no mampiseho marina kokoa ny voninahitry ny asa nanirahana Azy.
"Maraina ny andro; vao niposaka indrindra teo amin'ny tendrombohitra Oliva ny masoandro ka namirapiratra sy nanjelanjelatra teo amin'ireo lapa vatosoa ny tara- pahazavany, ary nampitombo ny fahazavan'ny rindrina volamenan'ny tempoly, raha niteny Jesôsy, sady nanondro izany ka nanao hoe: "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao".-IFM, t. 381.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Resaho ao amin'ny kilasy ny valin-teninao tamin'ilay fanontaniana farany tao amin'ny lesona Alakamisy. Inona ireo fahamarinan-dehibe ampianarin'ny Baiboly izay tsy ho azontsika ianarana na oviana na oviana avy amin'ny siansa, na ny ara-keviny ihany aza? Ohatra, ny hazo fijaliana? Sa ny fitsanganana amin'ny maty? Sa ny fiavian'i Jesõsy fanindroany? Inona koa ireo fahamarinana manan-danja ao amin'ny Baiboly izay tsy maintsy nambara tamintsika, raha tsy izany dia tsy ho nahafantatra izany mihitsy isika?
2. Saino ny amin'ny fahalavoan'i Losifera, ilay voary tonga lafatra izay nanam-pahalalana lehibe tokoa momba an'Andriamanitra sy ny toetrany. Na teo aza anefa izany rehetra izany dia mbola nikomy Taminy ihany izy. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny maha-zava-misy ny safidy malalaka, izay ananantsika koa? Ary nahoana isika no mila mametraka tsy tapaka izany safidy izany eo an-tanan'Andriamanitra?