Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay hany fiarovana

Daty
Alakamisy 05 September 2024

"Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho Amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fana mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo." - Eks. 31:13. 

Mofon’aina:
Aoka ny olona rehetra hitady an'i Jehôvah. Eo anoloantsika ny mandrakizay ka tsy azonao atao ny hamela ny andro iray ho lasa kanefa tsy niandany tamin'ny Tompo. Moa ve ianao tsy hanao ny anjara asa izay notendren' Andriamanitra hataonao ao anatin'ireo toe-javatra mamarana ny tantaran'ny tany?

Tsy takatry ny saina ny fanandramana hiainan'ireo vahoakan'Andriamanitra izay velona eto an-tany rehefa hiharo ny fahoriana tamin'ny lasa sy ny voninahitry ny lanitra. Handeha eo amin'ny fahazavana avy eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ireo. Amin'ny alalan'ireo anjely no hisian'ny fifandraisana tsy tapaka eo amin'ny lanitra sy ny tany. Ary i Satana, hodidinin'ireo anjely ratsy, no sady mitonona ho Andriamanitra, dia hanao fahagagana samihafa, mba hamitahana na dia izay voafidy aza raha azo atao. (...)Ao amin'ny famantarana voalazan' ny Eks. 31:12-18 no hahitan' ireo vahoakan 'Andriamanitra voazaha toetra ny heriny. Ny Teny velona - "Voasoratra hoe" - no tokony hiandanian'izy ireo. Io no hany fanorenana hahazoany mijoro tsy amin-tahotra. Ireo izay nanapaka ny fanekena nifanaovany tamin'Andriamanitra dia tsy hanana fanantenana amin' i zany andro izany (...).

Hiavaka indrindra amin'ny fanajany ny didy fahefatra ireo izay miankohoka amin'Andriamanitra, satria io no famantarana ny heriny mamorona sy vavolombelon'ny fitakiany ny fiankohofana Aminy sy ny fanajan'ny olona Azy. Ireo ratsy fanahy kosa dia hiavaka amin'ny fiezahany handrodana ny tsangambaton'ny Mpamorona ka hanandratra izay naorin'i Rôma. Ao anatin'ny fifanandrinana, dia hizara ho sokajy roa lehibe ny tontolo kristianina - ireo izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny finoana an' i Jesôsy ary ireo izay miankohoka amin'ny bibidia sy ny sariny no sady mandray ny marika famantarana azy. (...)

 Fitsapana sy fizahan-toetra maha-tahotra no miandry ireo vahoakan' Andriamanitra. Manetsika ny firenena avy any amin'ny sisin'ny tany ka hatrany amin'ny tendrony ilany ny toe-tsaina liana ady. Ao anatin'ny fotoan-tsarotra izay ho avy anefa (...) dia hitoetra tsy hihozongozona ny vahoaka voafidin'Andriamanitra. Tsy ho vitan'i Satana sy ireo anjeliny ny hanimba azy ireo; satria anjely mahery marobe no hiaro azy. - TDG, t. 69. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (32)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal