"Ampionony, ampionony ny oloko, hoy Andriamanitrareo; mitoria teny soa mahafaly amin’i Jerosalema, ka lazao aminy fa vitra ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin'ny tànan’i Jehôvah izy ho valin 'ny fahotana rehetra nataony." - Isa. 40:1,2.
Mofon’aina:
Nampahafantarina ny fiangonana ny planina mandrakizain' i Jehôvah, tamin'ny fotoana faran'izay manjombona niadiany tamin'ny ratsy. Navela hahita ny fandresena ho avy izy teo anivon'ny fotoan-tsarotra nolalovany, dia ny fifaranan'ny ady sy ny fandraisan'ny voavotra ny Tany nampanantenaina. Ireo fahitana momba ny voninahitra ho avy ireo, (...) dia tokony ho sarobidy amin'ny fiangonany ankehitriny, dia amin'izao firimorimon'ny fifaranan' ilay ady efa naharitra ela izao, ka efa ho tanteraka amin'ny fahafenoany ireo fitahiana nampanantenaina.
Ho antsika izay eo an-katoky ny fahatanterahan' izany, ny famariparitana ireo zavatra ho avy ireo dia manan-danja sy iankinan' aina tokoa — trangan-javatra izay, hatramin'ny fotoana nanalaviran'ireo ray aman-drenintsika voalohany an'i Edena, dia nandrasan' ireo zanak' Andriamanitra sy nandrandrainy, ary niriny fatratra sy nivavahany mba ho tonga!
Ry mpivahiny namako, mbola ao anatin'ny aloka sy ny hotakotaky ny raharahan' izao tontolo izao isika, saingy tsy ho ela dia hiseho ny Mpamonjintsika, hitondra fanafahana sy fitsaharana. Aoka isika hibanjina amim-pinoana io hoavy feno hasambarana io, araka ny nanoritsoritan'Andriamanitra azy. Mamoha midanadana ny vavahadin'ny Paradisa Ilay maty noho ny fahotan'izao tontolo izao, ho an'izay rehetra mino Azy. (...) Tsy ho ela dia ho hitantsika Ilay niorenan'ny fanantenantsika ny fiainana mandrakizay. Toa tsinontsinona ireo fitsapana sy fahoriana teto amin'ity fiainana ity eo anatrehany.
"Tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby an-tsaina akory aza". "Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe. Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain 'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra. Fa rehefa afaka kelikely, dia ho tonga Ilay ho avy". "Fa ny Isiraely kosa ho vocrvonjin'i Jehôvah amin 'ny famonjena mandrakizay, tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay hianareo. " Isa. 65:17; Heb. 10:35-37; Isa. 45:17.
Andrandrao ny masonareo! Atrakao ny fijery! Aoka hitombo hatrany ny finoanareo! Aoka izany no hitarika anareo eo amin'ilay lalàna ety mankeo amin'ireo vavahadin'ny tanànan'ny lanitra, fidirana ao amin'ny voninahitra lehibe sady tsy manam-petra voatahir) ho an'ny voavotra. — GAG, t. 372.