Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny hany lalana azo antoka

Daty
Alarobia 22 May 2024

"Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano." - Isa. 30:21.

Mofon'Aina:
Fantatro fa be ny fahorian'ny olombelona noho ny nialany tamin'ny lalana izay nofidin'Andriamanitra harahiny. Mandeha eo amin'ny fahazavan'ny afo izay narehiny ihany izy ireo ka azo antoka fa fahoriana sy alahelo no vokatr'izany. Azon'izy ireo natao anefa ny nidify izany raha toa izy nampilefitra ny sitrapony tamin'Andriamanitra ka namela Azy hifehy ny lalany. (...)

Na inona na inona lalana fidin'Andriamanitra ho antsika, na inona na inona lalana asainy andehanantsika, dia izay no hany lalana azo antoka. Tokony hokolokolointsika isan'andro ny toe-tsain'ny fileferana tahaka ny an'ny zaza, ary tokony hivavaka isika mba hanosorana ny masontsika amin'ny odi-maso avy any an-danitra mba hahaizantsika mamantatra ireo toromarika mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra, raha tsy izany dia ho very hevitra isika noho ny sitrapontsika izay toa mifehy ny zava-drehetra. Amin'ny masom-pinoana sy ny fileferan'ny zaza tahaka izay ataon'ny zanaka mpankato no aoka hijerentsika an'Andriamanitra sy hanarahantsika ny tari-dalany dia hisinda ireo toe-java-tsarotra. Izao ny teny fikasana: "Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho." - Sal. 32:8.

Tombontsoa ho antsika ny mitaky ny teny fikasana isan'ora ao anatin'ny tontolo andro raha toa isika manatona an'Andriamanitra amin'ny fanetren-tena sy ny toe-tsaina manaiky ampianarina fa tsy amin'ireo drafitra efa voaomantsika mialoha (...) na koa voavolavola araka ny sitrapontsika (...). Aoka isika tsy hitoky amin'ny tenantsika, ary hitandrina mba tsy hanaraka ny firehantsika sy ny fironana mahery vaika fandrao hanaraka ny fisainantsika sy ireo drafitsika manokana isika ka hihevitra izany ho fisainan' Andriamanitra. (...) Hay Raintsika any an-danitra no Mpanapaka antsika, ary tsy maintsy milefitra eo amin'ny fitsipika napetrany isika. Ankohonany tokoa isika. Manan-jo hisitraka ny fanompoantsika Izy, ary raha misy olona iray ao anatin'ny ankohonany minia mandeha na manao araka izay tiany dia hitondra fikorontanana sy fahaverezan-kevitra tokoa izany toe-tsaina izany. Tsy ny mba hanarahantsika izay lalana tiantsika no antony hianarantsika, fa ny hanarahantsika ny lalan' Andriamanitra sy hanaovantsika izay sitrany. TMK, t. 249.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (32)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal