Intelopolo eo ho eo no iantsoan'ny bokin'ny Apôkalipsy an'i Jesosy hoe: "Zanak'ondry". Hatrany am-piandohan'ny drafi-panavotana, dia nataon'ny vahoakan Andriamanitra ho tandindon'ny Mesia ho avy ny zanak'ondry. Nitondra ny voalohan-terak'ondriny i Abela (Gen. 4:4), ary talohan'ny nialan'ny Isiraely tao Egipta ho any amin'ny Tany Nampanantenaina, dia nasaina namono zanak'ondry iray taona hatao fanatitra izy ireo mba hanavotana ny lahimatoany rehetra na olona na biby (Eks. 12:5).
Vakio ny Eks. 12:1-11; Isa. 53:7,8; 1 Kor. 5:7; ary ny Apôk. 5:6. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba an'i Jesôsy , fanatitry ny Paska? Midika inona ho an'ny tsirairay avy amintsika izany?
Nisaintsaina ny amin'izay rehetra nitranga i Petera taona maro taorian'ny nahafatesan'i Kristy sy ny nitsanganany tamin'ny maty ary ny niakarany ho any an-danitra, ka nanoratra hoe: "fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondrantena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana, fa ny ra soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina." - 1 Pet. 1:18,19.
I Jesosy irery no nahatanteraka ny fahamasinana takin'Andriamanitra teo amin'ny fiainany maha-olombelona Azy. Ny hafa rehetra kosa dia samy efa nanota, ary ny fiainantsika feno fahotana dia tsy mifanipaka amin'ny toetran'ilay Mpahary antsika.
Nanjary "Adama farany" anefa i Jesôsy (1 Kôr. 15:45). Tonga lafatra Izy teo amin'ny fiainany, ary nahomby teo amin'izay tsy nahombiazantsika. Naneho ny tena tokony ho toetran'ny taranak'olombelona tamin'ny lafiny rehetra Izy. Naneho ny voninahitr Andriamanitra Izy. "Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray" hoy Izy tamin'i Filipo, "efa nahita Azy [ny Ray]" ianareo - Jao. 14:9,7.
Ary nohomboana tamin'ny Paska koa i Jesôsy , izay mampiseho fa Izy no Ilay Zanak'ondry tena izy. Nilaza i Jesôsy, ao amin'ny Jao. 18:19,20, fa "niteny miharihary" raha nampianatra. Tahaka izany koa ny zanak'ondrin'ny Paska ao amin'ny Eks. 12:5,6; nasaina nifidy zanak'ondry ho an'ny Paska ny zanak'Isiraely "hotehiriziny", izany hoe, hitan'ny rehetra tsara ilay zanak'ondry mandritra ireo andro maromaro mialoha ny fanatitra. Rehefa nanontany an'i Jesosy momba ny fampianarany ny mpisoronabe, dia nilaza Izy fa ny Tenany dia nampianatra ampahibemaso tao amin'ny tempoly mba ho fantatry ny olona rehetra. Ny fiainany, ny asany, ny fampianarany dia nanambara ny tena maha-Izy Azy marina. Izy no llay Zanak'ondry tsy misy kilema, izay fanehoana amin-kery indrindra ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny voninahiny.
Amin'ny fomba ahoana no ahafahantsika maneho tsara kokoa ny toetran'i Jesôsy tonga lafatra eo amin'ny fiainantsika?