"Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany ferra mandimby, dia fanekena mandrakizay izany." - Eks. 31:16.
Mofon’aina:
Mitaky fiambenana tsy tapaka izao vanin'andro iainantsika izao. Izao no fotoana tokony hifohazan'ny vahoakan'Andriamanitra hanao asa lehibe amin'ny fitondrana fanazavana momba ny Sabata. Mila manaitra sy mampitandrina ny mponin'izao tontolo izao izy ireo fa antomotra ny fiavian' i Kristy fanindroany amin-kery sy voninahitra lehibe. (...)
Fotoana izao, hiasan'ny mpanom-pon'Andriamanitra amin-jotom-po tsy mety sasatra, amin'ny fitoriana ny hafatry ny anjely fahatelo any amin'ny faritra rehetra eran'izao tontolo izao. Mitatra hatrany ny asan'io hafatra io, kanefa tsy tokony ho afa-po isika fa hampiely faingana ireo fahamarinana an'arivony hafa momba ny faharetan'ny lalàn'i Jehôvah mandrakizay. Aoka hotorina avy eny amin'ny sekolintsika, ny trano pirintintsika, ary ny toeram-pitsaboantsika rehetra ny hafatra. Aoka hifoha ny vahoakan'Andriamanitra na aiza na aiza misy azy, mba hiray hina ao anatin'ny asa lehibe asehon'ireo hafatry ny anjely voalohany sy faharoa ary fahatelo. Aoka ho takatry ny mponina rehetra eto an-tany, amin'ny alalan'io fampitandremana farany io, fa zava-dehibe amin'Andriamanitra ny lalàny masina. Tsy maintsy aseho mazava tsara ny fahamarinana, hany ka tsy hisy mpandika lalàna tsy hahita ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ny didy momba ny Sabata, eo am-pandrenesana izany.
Nahazo baiko aho hilaza amin'ny vahoakan'Andriamanitra hoe: "Angôny ao amin'ny Soratra Masina ireo porofo fa nanamasina ny Sabata tokoa Andriamanitra, ary aoka hovakina amin'ny fiangonana ny tenin'ny Tompo izay manambara fa ho voaheloka izay rehetra miala amin'ny `Izao no lazan'i Jehôvah' mazava." Fisedrana ny fahatokian'ny vahoakan'Andriamanitra nandritra ny vanim-potoana rehetra ny Sabata. "Famantarana ho Amiko sy ho amin'ny zanakIsiraely mandrakizay izany" — Eks. 31:17, hoy ny Tompo.
Tsy misy na inona na inona iadian-kevitra rehefa ampitaina amin'ny vahoaka ny tenin'Andriamanitra. Nanambara ny amin'ny fitandremana ny andro fahafito ny Tenin'ny Tompo; aoka ny Teniny no omena ny vahoaka fa tsy tenin'o" lona. Raha manao izany ianareo dia hahatonga saina izay mandà izany, fa tompon'andraikitra izy ireo. Ny fonj an-kevitra ao amin'ny tenin'Andriamanitra no hotoherin'ny fonjan-kevitr 'izay manohitra. Rehefa ny "Izao no lazain'i Jehôvah" no asandratra dia tsy ilay mpanompon'Andriamanitra no toheriny amin'izany fa Andriamanitra. — RH, 26 Marsa 1908.