"Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy." - Jao. 5:39.
Mofon’aina:
Tokony ho velom-pisaorana isika fa manana teny faminaniana azo antoka, mba tsy hisy amintsika ho voafitaka. Fantatsika fa misy fampianaran-diso sy angano eto amin'izao tontolo izao ankehitriny, ary maniry hahalala ny marina isika. Mila mandinika tsara isika mba hahazoantsika izany fahalalana izany. Tsy afaka manao izany amin'ny famakiana fotsiny n , iî:pratra Masina isika, fa tsy maintsy mampitaha ny Soratra Masina amin’ny Soratra masina.
Tokony handalina ny Soratra Masina ho an'ny tenantsika isika, mba tsy ho voafitaka; ary na maro aza no voafitaka noho ny fampianarana isan-karazany eto amin'izao tontolo izao, dia tokana ihany ny fahamarinana. Maro no mety hanatona anao ka hilaza ho manana ny fahamarinana, fa anjaranao ny mandinika ny Soratra Masina ho an'ny tenanao. "Ho amin'ny lalana sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan 'ny maraina." — Isa. 8:20. (...)
Aoka isika hamaly izay rehetra manontany antsika ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatintsika, amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanaj ana, hoy ny apôstôly. "Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an 'ny kely saina. " — Sal. 119:130. Tsy ampy ny mamaky fotsiny, fa tsy maintsy miditra ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ny Tenin'Andriamanitra, mba ho tafaorina amin'ny fahamarinana masina isika. Raha tsy mandinika ny Soratra Masina ho an'ny tenantsika isika mba hahafantarantsika ny fahamarinana, dia ho tompon'andraikitry ny fahavere-zantsika (...). Na voafetra aza ny fisainantsika dia mety ho tonga manam-pahaizana momba ny Soratra Masina, amin'ny fianarana amim-pahazotoana ny Tenin'Andriamanitra, ary afaka hanazava izany amin'ny hafa.
Ny fiangonana rehetra hatsangana (...) dia tokony hampianarina momba io fahamarinana io. "Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy. " — Mat. 9:38. Tsy afaka hitoetra eo anilanao mandrakariva ny mpampianatra hampiseho aminao ny fahamarinana mba tsy hanekenao ireo fahadisoana izay mameno ny tanintsika. Kanefa raha tafaorina ao amin'ny Soratra Masina ianao, dia hahatsapa ny andraikitrao ary handalina ny Soratra Masina ho an'ny tenanao, hahafahanao manampy ny hafa. — RH, 3 Avrily 1888.