‘’Ny tenin’Andriamanitra dia voadio avokoa, ampinga ho an‘izay mialoka aminy Izy. Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny hianao ka ho hita fa mpandainga.’’ Ohab. 30:5,6.
Mofon'aina:
Ny mandresy lahatra ireo fanahy hanaiky ny fahamarinana no tanjona izao. Ny ezaka ataon’ny tena manokana no fomba tsara indrindra hanatrarana izany, amin’ny fitondrana ny fahamarinana isan-tokantrano sy amin’ny fiaraha-mivavaka amin’izy ireo, sady manokatra ny Baiboly aminy.
Mila mitandrina izay manao izany asa izany mba tsy ho zary tsianjery mahamonamonaina ny drafitr’asa ataony, tahaka ny tokony hataon’ny mpitandrina miasa any amin’ny biraony koa. Tokony hianatra zava-baovao mandrakariva izy ireo, tokony hanana zotom-po sy ho feno fitandremana mba hanatrarana ny tsara indrindra amin’ny fahaizana ny Soratra Masina. (...) Mila mikolokolo fahazarana mianatra tsara sy mampiasa saina izy ireo, amin’ny alalan’ny fivavahana sy ny fandinihana lalina ny Soratra Masina. Maro no meloka amin’ny tsy fanatanterahana izany. Tsy kely ny fitakian’Andriamanitra aminy, kanefa afa-po amin’ny fahalalana voafetra ananany momba ny Soratra Masina izy ireo, ary tsy miezaka ny hanatsara ny sainy sy ny fombany.
Ny hevitra rehetra avy amin’ny tantaran’ny faminaniana, ny lesona rehetra nomen’i Kristy hampiharina eo amin’ny fiainana, dia tokony hodinihina tsara tsirairay mba tsy hisy hadino. Manome hery, mampivelatra, ary mandranitra ny saina ny fanaovana izany. Tsy maintsy ampiasaina ny saina, raha tsy izany dia ho osa. (...) Aoka ny saina hiatrika ireo olana sarotra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia hifoha tanteraka izy, ka tsy teny feno fahambaniana no hivoaka fa teny tsara sy mampahery, izay avy amin’ny saina mavitrika sy miasa.
Tsy maintsy manatratra ny fenitra ambony indrindra ny mpanompon’i Kristy. Mpanabe izy ireo, ary tokony hahay tsara ny Soratra Masina. (...) Mirakitra ny fahamarinana tokana izay manadio ny fanahy ny Baiboly, ary izy noboky tsara indrindra ho fikolokoloana ny saina. Ny fahatsorana sy ny fahamendrehana anehoany ireo foto- pampianarana manan-danja dia tena izay ilain’ny tanora sy ny mpanompon’i Kristy rehetra mba hampianatra azy ireo ny fomba hitoriany ny zava-miafin’ny famonjena amin’ireo izay ao anatin’ny haizina. — RH, 8 Desambra 1885