‘’Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao.’’ Sal. 119:11.
Mofon’aina:
Ianaro ny Tenin’Andriamanitra, izay nataony mazava sy tsotra noho ny fahendreny sy ny fitiavany ary ny hatsaram-pony. Manazava amintsika ny atao hoe mianatra ny Teny ny ao amin’ny Jao. 6. (...) Aoka ho fiainantsika isan’andro ny fahamarinany, ka ho takatsika ny zava-miafin’ny fahamasinana.
Mivavaha amin’Andriamanitra. Mifandraisa Aminy. Fantaro ny fisainan’Andriamanitra, toy ny olona mikatsaka ny fiainana mandrakizay sy tsy maintsy mahalala ny sitrapony. Azonao atao ny manambara ny fahamarinana araka izay ahitanao azy ao amin’i Kristy. Mila mandray sy manaiky ny Teniny ianao; tokony hanjary isan’ny tenanao mihitsy izany. Izany no hevitry ny hoe mihinana ny nofony sy misotro ny rany. Tokony hivelona amin’ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra ianao, izay nambarany. Tsy nambara tamintsika avokoa ny teny rehetra; tsy ho zakantsika mantsy izany fanambarana izany. Fa nambaran’Andriamanitra kosa izay rehetra ilaina ho famonjena antsika. Tsy azontsika atakalo hevitr’olombelona ny Teniny.
Andramo ka izahao, ary mahazoa fahalalana an’Andriamanitra amin’ny fitondrana ny ziogan’i Kristy. Manome fahendrena ny malemy fanahy sy ny tsy miavona am-po Izy, manome azy fahaiza-manavaka ny marina, manazava ny antony sy ny tanjona, ary manasongadina ny vokatry ny fihetsika sasany. Mampianatra ny mpandinika ny Soratra Masina ny Fanahy Masina mba hamantatra ny zavatra rehetra amin’ny alalan’ny fitsipiky ny rariny sy ny hitsiny ary fahamarinana. (...)
Ataovy mpanolo-tsaina anao ny Baiboly. Hitombo haingana ny fahalalanao ny Baiboly raha arovanao tsy ho tratry ny loton’izao tontolo izao ny sainao. Arakaraka ny andinihanao ny Baiboly no hahalalina ny fahafantaranao an’Andriamanitra. Ho voasoratra ao am-ponao ny fahamarinan’ny Teniny, ka hamela marika tsy hay fafàna. (...)
Mahasoa ireo mpandinika azy ny Tenin’Andriamanitra, kanefa tsy izy tenany ihany. Fiainana sy famonjena ho an’izay rehetra mifanerasera aminy ny fandinihan’izy ireo ny Teny. Hahatsapa ho manana andraikitra masina izy ireo, dia ny fampitana ny fahalalana noraisiny. Ho hita eo amin’ny fiainany ny hery sy ny fanampiana voarainy vokatry ny firaisany amin’ny Tenin’Andriamanitra. (...) Ny olona toy izany no azon’ny Tompo lazaina hoe: “mpiara-miasa amin’Andriamanitra.” – CH, tt. 370-372.