"Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan 'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory." — Heb. 4:15,16.
Mofon’aina:
Asehon'i Satana ho lalàm-pitiavan-tena ny lalàm-pitiavan' Andriamanitra. Lazainy fa tsy mety ho vitantsika ny mankatà ny fitsipik'izany lalàna izany. Ny fahalavoan'ireo razambentsika voalohany, sy ny fahoriana rehetra vokatr' izany, dia iampangany ny Mpahary, ka tarihiny ny olony hijery an'Andriamanitra ho Ilay niavian'ny fahotana sy ny fijaliana ary ny fahafatesana. Hanala sarona io fitaka io i Jesôsy. Amin'ny maha-anisantsika Azy dia hanome ohatry ny fankatoavana Izy. Noho izany dia noraisiny ny nofontsika ka nandalo tamin'ny fanandramantsika rehetra izy, «koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy (...)» - Heb. 2:17. Raha misy, na inona na inona tokony hozakaintsika izay tsy niaretan'i Jesôsy, dia izany zavatra izany no anehoan'i Satana fa tsy ampy ho antsika ny herin'Andriamanitra. Noho izany dia «(...) nalaim-panahy tamin 'ny zavatra rehetra (...) — Heb. 4:15» i Jesôsy. Niaritra ny fitsapana rehetra mety hihatra amintsika Izy. Ary tsy nisy hery nampiasainy ho an'ny tenany izay tsy atolony malalaka ho antsika. (...) Hoy Izy: «Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko» - Sal. 40:8. (...) Vavolombelona ny fiainany fa azontsika atao koa ny mankatà ny lalàn'Andriamanitra.
Tamin'ny alalan 'ny maha-olombelona Azy dia nandray ny taranak'olombelona i Kristy; amin'ny alalan'ny maha-Andriamanitra Azy, dia mamikitra ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy. Amin'ny maha-Zanak'olona Azy, dia nanome oha-pankatoavana antsika Izy, amin'ny maha-Zanak'Andriamanitra Azy, dia manome antsika hery hoenti-mankatà Azy Izy. (...)
Izay mendrika antsika no natao tamin'i Kristy, mba ho azo atao amintsika kosa izay mendrika Azy. Nomelohina noho ny fahotantsika izay tsy nananany anjara akory Izy, mba hahazoantsika fahamarinana amin'ny alalan'ny fahamarinany izay tsy nananantsika anjara akory. Niaritra ny fahafatesana izay anjarantsika Izy, mba hahazoantsika mandray ny fiainana izay Azy. «(...) Ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika». — IFM, U. 11,12, ed. 2023.