"Ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana." - Fil. 2:8.
Mofon’aina:
Tombontsoa lehibe omena antsika ity: azontsika atao ny ho tonga tahaka an'i Kristy — ny mankatô ireo fitsipika rehetra ao amin'ny lalàn' Andriamanitra. Kanefa tsy vitantsika velively amin'ny herin'ny tenantsika izany. Avy amin'i Kristy avokoa ny zava-tsoa rehetra ao amin'ny olombelona. Vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra miasa ho antsika, rehefa milefitra eo ambany fitarihana sy ny fifehezan'ny Fanahin' ny fahamarinana isika, ny fahamasinana izay takin'ny tenin'Andriamanitra fa tsy maintsy ananantsika mba ho voavonjy isika.
Tsy mety ho tonga lafatra ny fankatoavan'ny olombelona raha tsy amin'ny alalan'ny hanitry ny fahamarinan'i Kristy, izay manome hanitra masina ny asam-pankatoavana marina rehetra. Ny anjaran'ny Kristianina dia ny maharitra amin'ny ady atao ho fialana amin'ny fahadisoana rehetra. Mila mivavaka tsy mitsahatra izy mba hanasitranan'ny Mpamonjy ny aretim-panahiny. Tsy ananan'izy ireo, izay olombelona mety maty, ny fahendrena sy ny hery hoenti-mandresy. An'ny Tompo izany, ary omeny ireo izay mangataka ny fanampiany amin'ny fo torotoro sy manetry tena. (...)
Maro amin' ireo izay efa nahafantatra sy tia ny Mpamonjy no latsaka ao amin'ny haizina ankehitriny, ary maniasia lavitra Azy. Izao no antony: natoky tena sy nihevitra ho mahavita tena izy ireo, ary nanaraka ny fironana tao anatiny. (...)
Ho fanamelohana ho an'izay rehetra mandà ny fanomezan'ny lanitra ireo porofo maro be avy amin' Andriamanitra maneho ny faniriany hamonjy ny olona rehetra. Amin'ilay andro lehibe faiany, rehefa hovaliana soa na hofaizina ny tsirairay, araka ny fankatoavany na ny tsy fankatoavany, dia hiseho mazava ny hazo fijalian'i Kalvary, eo anatrehan'ireo izay mitsangana eo anoloan'Ilay Mpitsara ny tany rehetra mba handray ny anjarany mandrakizay. Hosokafana ny sain'izy ireo mba hisy ho takany ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona lavo. Ho hitan'izy ireo mazava ny fanalam-baraka an'Andriamanitra nataon'ireo izay nanohy nandika lalàna, niandany tamin'i Satana, sy nanao tsinontsinona ny lalàn'i Jehôvah. Hitany fa ho nitondra fiainana, fahasalamana, fanambinana, ary zava-tsoa mandrakizay ho azy ny fankatoavany io lalàna io. — RH, 15 Marsa 1906.