« Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny. » —2 Tant. 7:14.
Mofon’aina:
Tao amin'ny vavaka nirakitra faminaniana notononin' i Solomona tamin'ny fitokanana ny tempoly (...) no efa nanambaran' ilay mpanjaka hoe: «Raha resy eo anoloan'ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina aminao sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona aminao eto amin'ity trano ity izy, dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny Isiraely olonao».
Napetraka tamin'izany vavaka izany ny tombokasen'ny fankasitrahan' Andriamanitra, fa nidina avy tany an-danitra ny afo ka nandevona ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra raha vao vita ny vavak'i Solomona, ary nameno ny tempoly ny voninahitr 'Andriamanitra. (...)
Hatry ny taona maro lasa no efa tsy niheverana intsony ny Paska ho andro firavoravoan'ny firenena. Ny fizarazaran'ny fanjakana tamin'ny faran'ny andro nanjakan'i Solomona no nahatonga ny fankalazana izany ho tsy azo natao intsony. Ny famaizana mahatsiravina namely ny fokom-pirenena folo anefa no namohafoha indray tao am-pon'ny olona sasany ny faniriana ny fanatsarana ny ara-panahy, ary nitera-boka-tsoa tokoa ny hafatra nanaitra ny fo nataon'ny mpaminany. (...) Tsy nahoan'ireo mafy fo izany, fa ireo izay nitady fatratra ny Tompo mba hahalala bebe kokoa ny sitrapony dia «nanetry tena ka tonga tany Jerosalema». MM, tt. 278,279, ed. 1986
Ny hany fanafodin'ny toe-java-nitranga dia ny fialana tamin'ny fahotana izay nahatonga ny famaizan'ny Tsitoha, ary ny fiverenany Aminy amin'ny fony rehetra. Fa efa nomena azy ireo izao fanomezan-toky izao hoe: «Indro, raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko mandany ny tany ny valala, na anaterako areti-mandringana ny oloko, raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho, ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny» -2 Tant. 7:14. Koa mba hahatongavana amin'izany fandresena izany amim-pihobiana no naharetan'ny Tompo tamin'ny fihazonana ny ando sy ny orana tsy hilatsaka mandra-pisian'ny fihavaozana tanteraka teo amin'ny Isiraely. — MM, tt. 101,102, ed. 1986.
Daty
Alahady 19 January 2025