Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahazavana tokana manazava ny làlana

Daty
Alatsinainy 21 October 2024

 "Fa ny làlan'ny marina dia toy ny fipoak 'andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro." -Ohab. 4:18. 

Mofon’aina:

Ny fitiavan'i Kristy ao am-po, mampiseho ny heriny mahagaga eo amin'ny fiainana — io no fahagagana lehibe indrindra natao teo anatrehan' izao tontolo izao lavo sy feno adilahy. Andeha isika hiezaka hanatanteraka izany fahagagana izany, tsy amin'ny herin'ny tenantsika fa amin'ny anaran'i Jesôsy Kristy Tompontsika sy tompointsika. Andeha isika hitafy an'i Kristy, dia hiseho mazava ny hery mahagagan'ny fahasoavany eo amin'ny fiovan-toetra, hany ka ho resy lahatra izao tontolo izao fa naniraka ny Zanany teto amin'izao tontolo izao Andriamanitra mba hahatonga ny olona ho tahaka ny anjely masina eo amin'ny toetrany sy ny fiainany. (...)

Aoka hekentsika ny hitondra ny marika maha-Kristianina. Tsy marika hita maso ety ivelany izany, tsy fitondrana hazo fijaliana na fanaovana satroboninahitra, fa fanehoana ny firaisan' olombelona amin'Andriamanitra. Aoka hariantsika ny toetra taloha mbamin'ny asany, ka hotafiantsika ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'Ilay nahary antsika (Kôl. 3:9,10). Miseho ny fihaingoana masina rehefa mifanatona ny Kristianina ka mifandray am-po amin'ny fitiavana tahaka ny an'i Kristy.

 "Koa amin 'izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesôsy , (...) sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon 'Andriamanitra, dia aoka isika hanatona amin 'ny fo marina sy amin 'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana (...); ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro. " Heb. 10:19-25.

Tokana ihany ny fivavahana marina, tokana ny làlana mankany an-danitra, fahazavana tokana no manazava ny lalan'ny mpivahiny. Eo am-pandrosoantsika ho amin'ny fahalalana ny Tompo no hanekentsika isaky ny indray mandingana fa i Kristy no Fahazavan'izao tontolo izao, Ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana; ary ho hitantsika fa ny làlana asainy izorantsika dia "toy ny fipoak 'andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan 'ny andro." — Ohab. 4:18.

Lehibe Jehôvah ka mendrika ny hoderaina indrindra (...). Sambatra, tena sambatra ny tokantrano izay misy ray sy reny ary zanaka manompo an'i Kristy. — UL, t. 233. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (32)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal