Vakio ny Mar. 12:28-34. Inona ny fanontaniana manan-danja napetrak'llay mpanora-dalàna tamim-pahatsorana, ary inona ny valinteny roa sosona nomen'i Jesôsy azy?
Saiky nanohitra an'i Jesôsy ireo mpitondra fivavahana ao amin'ny fiJazantsaran'i Marka hatreto, afa-tsy vitsivitsy monja. Nahakasika an'i Jerosalema manokana izany, toerana izay nitenenan'i Jesôsy mafy ny fomba fitondrana ny fiankohofana tao amin'ny tempoly - izay fon'ny fivavahana jodaisma. Araka izany, ny fihainoan'ny mpanora-daiàna iray ny fifandirana sy ny fankasitrahany ny valintenin'i Jesôsy dia maneho ny fahitsiany sy ny herim-pony teo anatrehan'ny fankahalana an'i Jesôsy izay nanjaka tokoa. Ho mora kokoa ho an'ny olona iray, na dia izay niombon-kevitra tamin'i Jesôsy aza, ny mangina ka mitazana fotsiny. Tsy izany anefa no nataon'ity lehilahy ity.
Ny zava-manan-danja indrindra amin'ny fivavahana no noresahin'ilay mpanora-daiàna raha nanontany ny amin'izay didy lehibe indrindra izy. Tamim-pahatsorana sy tamin'ny fomba mazava no namalian'i Jesôsy izany, ka namerenany ny teny ao amin'ny Shema, ilay fanekem-pinoana ao amin'ny fivavahana jodaisma izay hita ao amin'ny Deo. 6:4,5. Ny didy lehibe indrindra, hoy i Jesôsy, dia ny fitiavana an'Andriamanitra amin'ny fonao rehetra sy ny fanahy ary ny sainao sy ny herinao rehetra - izany hoe ny maha-ianao anao manontolo. Manome valinteny fanampiny ho an'ilay mpanora-dalàna i Jesôsy amin'ny fanambarany ny didy faharoa manan-danja indrindra. Naveriny indray izay voalazaniny Testamenta Taloha ka ny Lev. 19:18 indray no nolazainy, dia ny hitiavana ny namana tahaka ny tena.
Manontany tena ny olona indraindray raha toa azo atao ny mibaiko ny fitiavana. Ny tontolon-kevitra ara-koiontsain'io didy io ao amin'ny Deoterônômia no manampy antsika amin'ny fanazavana izany. Avy amin'ny fifanekena tamin'ny andro fahiny no niavian'io fomba fiteny io, ary ny teny hoe "tiava" dia manondro ny fitoerana ho mahatoky amin'ireo zava-takin'ny fifanekena sy ny fanatanterahana izany amim-pahatokiana. Araka izany, na dia tsy manilika ny fihetseham-po lalina mampifamatotra ny roa tonta manao fanekena aza izany, dia mifantoka kokoa amin'ny asa izay maneho ny fahatokiana.
Nahitsy fo ilay mpanora-daiàna. Hitany fa tsotra sy nazava ny valintenin'i Jesôsy ary nanaiky izany izy. Toa azontsika an-tsaina ny fiketronan'ireo mpitondra fivavahana raha nahita ilay mpanora-daiàna mahitsy fo niombon-kevitra tamin'ny valintenin'i Jesôsy; tsy hisy hanao toy izany mihitsy mantsy amin'izy ireo. Nanamarina ny valinteny feno fahatsoran'iiay mpanora-daiàna koa i Jesôsy ka nambarany fa tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra izy. Ny hoe tsy lavitra anefa dia tsy midika fa efa ao anatiny izy. Nilain'ilay mpanora-daiàna ny hanaiky ny momba an'i Jesôsy aloha ary koa ny hanara-dia Azy. Dingana iray lehibe kokoa izany eo amin'ny dia lavitry ny finoana.
Ahoana no hianarantsika mitia an'Andriamanitra sy ny namantsika tahaka ny tenantsika? Nahoana ny hazo fijaliana no vahaolana ho an'ny fanarahana ireo didy ireo?