Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy ho tanteraka mihitsy ve ny teny fikasany?

Daty
Alarobia 31 January 2024

Vakio ny Sal. 77. Inona ny fanandramana lalovan'ny mpanoratra eto?

Manomboka amin'ny antso atao amin'Andriamanitra ho fangatahana ny fanampiany ny Sal. 77, izay feno fitarainana sy fahatsiarovana maharary momba ny lasa (Sal. 77:1-6). Amin'alahelo lehibe no ampitodihan'ny mpanao Salamo ny momba azy rehetra amin'Andriamanitra. Laviny ny handray fampaherezana hafa ankoatra izay avy amin'Andriamanitra.

Toy ny nampitombo ny fahoriany anefa ny fahatsiarovana an'Andriamanitra. "Rehefa mahatsiaro an'Andriamanitra aho, dia misamboaravoara ny ato am-poko" - Sal. 77:3, ESV. Ny teny hebreo hamah, "misamboaravoara" dia matetika hoentina milaza ny feon'ny ranomasina mirohondrohona (Sal. 46:3). Tahaka izany koa, ny momba ilay mpanao Salamo manontolo mihitsy no tsy mahatsapa fitoniana.

Nahoana moa ny fahatsiarovana an'Andriamanitra no miteraka fahatsapana fahoriana? Fanontaniana mampanahy maro no maneho ny anton'ny tebitebiny (Sal. 77:7-9): moa niova ve Andriamanitra? Azo heverina ve ny hivadihany amin'ny Fanekeny?

Mahatonga ilay mpanao Salamo hahatsiaro ho nafoin'Andriamanitra ny fahasamihafana lehibe eo amin'ny asam-pamonjen'Andriamanitra tamin'ny lasa sy ny fanginany ankehitriny. Raha toa ka niova Andriamanitra dia tsy manana fanantenana izany ilay mpanao Salamo; fehin-kevitra tsy tiany hekena izany.

Etsy andaniny dia tsy matory ilay mpanao Salamo satria mampiari-tory azy Andriamanitra (Sal. 77:4). Mampahatsiahy olona hafa ao amin'ny Baiboly izany, izay nampiasan'Andriamanitra ny tsy fahitan-torimaso mba hahatanteraka ny Fikasany (Gen. 41:1-8; Est. 6:1; Dan. 2:1-3). Nahatonga ilay mpanao Salamo hihevitra ny fanafahan'Andriamanitra tamin'ny lasa, saingy miaraka amin'ny fanapahan-kevitra vaovao, ny alina lava tsy nahitany torimaso (Sal. 77:5,10).

Ny toky voarain'ilay mpanao Salamo avy amin'Andriamanitra dia tsy fanazavana mikasika ny toe-javatra iainany manokana fa fanambarana ny fahatokian'Andriamanitra sy ny maha-azo itokiana Azy (tahaka ny tamin'i Jôba). Nampaherezina ilay mpanao Salamo mba hiandry an'i Jehovah amin'ny finoana, satria fantany fa Izy ihany ilay Andriamanitra nanao fahagagana tamin'ny lasan'ny Isiraely (Sal. 77:11-18). Tsapan'ny mpanao Salamo koa fa "tsy fantatra ny dian-tongotrao" - Sal. 77:19; miaiky ny fitarihan'Andriamanitra izy na dia ao anatin'ny toe-javatra izay tsy hahitan'ny olona maso ny fanatrehany aza. Ekeny fa sady manatrika Andriamanitra no miery, ary amin'izany no hanandratany fiderana ho an'i Jehovah noho ny fomba feno zava-miafina sy fahamboniana.

Eritrereto ny fotoana lasa izay niasan'Andriamanitra teo amin'ny fiainanao. Ahoana no hanampian'izany fahamarinana izany anao hiatrika ny toe-javatra lainanao ankehitriny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal