Tia ny marina ary mankahala ny ratsy Ilay Andriamanitra ao amin'ny Baiboly. Koa manetsika lalina ny fihetseham-pony ny fahotana sy ny faharatsiana izay mampahory sy mampijaly ny olona, eny, na dia rehefa ny ratsy ataon'ny olona ihany aza no mahavoa azy. Halan'Andriamanitra ny ratsy satria mampahory ny voariny mandrakariva izany. Araka ny tantara ao amin'ny Baiboly dia mihantsy matetika ny fahatezeran Andriamanitra ilay antsoin'ireo mpandinika ny Baiboly hoe: "fitsingerin'ny fikomiana" ("cycle of rebellion"). Toy izao manaraka izao izany fitsingerin'ny fikomiana izany:
Mikomy amin'Andriamanitra ny olona ary manao ratsy, indraindray aza zava-doza mahatsiravina no ataony, toy ny fanaovana sorona zazakely sy fahavetavetana hafa koa eo imasony.
Miala Andriamanitra arakaraka ny fanapahan-kevitry ny vahoaka.
Ampahorin'ny firenen-kafa ny vahoaka.
Mitalaho fanafahana amin'Andriamanitra ny vahoaka.
Mamonjy azy ireo amim-pitiavana Andriamanitra.
Mikomy amin'Andriamanitra indray ny vahoaka, ary amin'ny fomba sahisahy kokoa noho ny teo aloha aza.
Eo anatrehan'ny fiverimberenan'izany faharatsiana sy tsy fahatokiana miharihary izany anefa dia fahatokiana, fahari-po sy faharetana tsy misy fetra, fahasoavana mahatalanjona, ary fangorahana lalina, no asetrin'Andriamanitra ny tsy fahatokian'ny olombelona.
Vakio ny Sal. 78. Inona no ambaran'io Salamo io momba ny fihetsik' Andriamanitra eo anatrehan'ny fikomiana miverimberina ataon'ny vahoakany?
Mifamatotra ny fitiavana sy ny fahamarinana, araka ny Baiboly. Mitombina ny fahatezeran Andriamanitra eo anatrehan'ny faharatsiana satria mampijaly mandrakariva ireo izay tian'Andriamanitra izany. Tsy hita velively ao amin'ny Baiboly izany hoe Andriamanitra tezitezi-poana na tsy an-drariny izany.
Na nandao sy niodina Taminy matetika aza ny vahoakany, dia mbola nangoraka azy ireo hatrany tamin'ny fahari-po Andriamanitra, mihoatra lavitra noho izay rehetra azony antenaina aza (Neh. 9:7-33). Maneho ny halalin'ny fitiavan'Andriamanitra be famindrampo sy ny fiantrany ny olona amim-paharetana tsy takatry ny saina izany. Izany indrindra no voalaza ao amin'ny Sal. 78:38 hoe: "Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany."
Azo antoka fa efa tezitra noho ny hasomparana atao amin'ny hafa ianao. Ahoana no anampian'lzany fihetsehamponao izany anao hahatakatra mazava kokoa ny fahatezeran' Andriamanitra eo anatrehan'ny faharatsiana?