MAHARI-PO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA: Sal. 103:13; Isa. 49:15; Hos. 11:1-9; Mat. 23:37; 2 Kôr. 11:2; 1 Kôr. 13:4-8.
Tsianjery:
"Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao." - Isa. 49:15
Matetika no ratsy ny fahitan'ny olona ny fihetsehampo ary heveriny fa tokony hohalavirina ireny. Tsy ny lôjika ny fiheveran'ny olona araka sasany ny fihetsehampo ka tsy tokony ho "olon'ny fo" ny lehilahy na ny vehivavy mendrika. Teo amin'ny filozófia grika tranainy sasany, dia noderaina ho môdely ny "olon'ny saina" izay tsy mora andairan'ny fihetsehampo mirehitra na koa mahafehy ireo fihetsehampony amin'ny fampiasana ny fisainana.
Mety hiteraka olana tokoa ny fihetsehampo tsy voafehy. Noforonin' Andriamanitra niaraka tamin'ny fahafahana manana fihetsehampo anefa ny olona, ary Andriamanitra koa aza dia aseho manerana ny Soratra Masina fa naneho fihetsehampo lalina. Raha maneho fihetsehampo lalina Andriamanitra, araka izay asehon'ny Baiboly mandrakariva, dia tsy azo lazaina ho ratsy na tsy araka ny fahendrena ny fihetsehampo - satria sady tanteraka amin'ny fahatsarana ilay Andriamanitry ny Baiboly no manana fahendrena tonga lafatra.
Raha ny marina, misy fahamarinana mahafinaritra azo tsoahina ao amin'ny fahatsapana fa fitiavana araka ny fihetsehampo lalina no itiavan'Andriamanitra antsika. Tsara anefa ny mahatsiaro mandrakariva fa na dia tonga lafatra aza ny fitiavan'Andriamanitra (na araka ny fihetsehampo izany na tsia), dia tsy azo ampitovina amin'ny fihetsehampo tsapan'ny olombelona izany.