Hodinihana mandritry ny herinandro : Jao. 2:1-11; Jao. 4: 46-54; Jao. 5:1-16; Mar. 3: 22,23; Mat. 12: 9-14; Jao. 5: 16-47.
Tsianjery : ‘’Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesôsy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity;fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesôsy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo.’’Jao. 20: 30,31.
Nahoana i Jaona no nanoratra ny filazantsarany? Naniry ny hanasongadina ireo fahagagana nataon’i Jesôsy ve izy? Sa niriny ny hanasongadina ireo fampianarana manokana nataon’i Jesôsy? Inona no antony nanoratany ny zavatra nosoratany?
Teo ambany herin’ny Fanahy Masina sy ny hery miasa mangina avy Aminy no nanazavan'i Jaona ny anton’izany. Nambarany fa na dia mbola betsaka aza no azo nosoratana mikasika ny fiainan’i Kristy (Jao. 21:25), dia nosoratany kosa ireo tantara ireo “mba hinoanareo fa Jesôsy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino hianareo." – Jao. 20:31.
Hojerentsika mandritra ity herinandro ity ao amin’ny filazantsaran’i Jaona ny sasany amin’ireo fahagagana voalohany nataon’i Jesôsy – manomboka amin’ny fanovana ny rano ho divay nandritra ny fampakaram-bady anankiray ka hatramin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fahasalaman’ny zanakalahin’ny olona iray izay narary mafy ary koa ny fanasitranana ny lehilahy iray tao amin’ny farihin’i Betesda.
Antsoin'i Jaona hoe “famantarana” ireny fahagagana ireny. Tsy ny takela-by famantarana eny an-dalana tsy akory no tiany hambara amin’izany fa toe-javatra isehoan’ny fahagagana izay manondro zava-misy lalindalina kokoa: i Jesôsy amin’ny maha-Mesia Azy. Hitantsika ao amin’ireny tantara ireny ny ohatra ny amin’ireo olona izay naneho asa mitory finoana. Ary manasa antsika hanao toy izany koa ny ohatra nasehon’izy ireo.