Ny faminaniana momba ny mariky ny bibidia ao amin'ny Apôk. 13 dia milaza amintsika ny sehatra mivaivay sy ratsy indrindra misy ny ady ifanaovan'i Satana amin'Andriamanitra. Hatramin'ny nahafatesan'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana dia fantatr'ilay fahavalo fa resy izy saingy tapa-kevitra izy ny hisarika olona maro araka izay azo atao hiaraka aminy amin'ny fianjerany. Ny famitahana no paikadiny voalohany amin'izany fitaomana izany. Rehefa tsy mandaitra ny famitahana dia mampiasa hery izy.