Vakio ny Mar. 4:35-41. Inona no mitranga ato amin'ity tantara ity? Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin'izany momba an'i Jesôsy?
Eo amin'ny fanombohan'ny Mar. 4 dia niditra teo an-tsambokely i Jesôsy mba hampianatra ny vahoaka teo amorony. Toa nivoaka kely i Jesôsy ao amin'ny Mar. 4:10-12 mba hiresaka mangingina amin'ny mpianany. Ary rehefa avy nampianatra nandritra ny tontolo andro i Jesôsy dia nentin'ny mpianatra teo an-tsambokely, efa reraka tokoa. Avy hatrany dia resin-tory teo am-bodin'ny sambo Izy, teo ambonin'ny ondana. Dia nisy tafio-drivotra mahery, ka nofohazin'ny mpianatra i Jesôsy rehefa nila ho rendrika iny ilay sambokely. Tamin'ny fomba mahagaga no nibaikoan'i Jesôsy ny rivotra sy ny onjan-drano mba hitsahatra. Dia indro tony dia tony ny rano. Azo inoana fa naharaiki-tahotra ny mpianatra izany fanehoana ny herin'Andriamanitra izany.
Vakio ny Sal. 104:1-9. Manao ahoana ny fanoritsoritana an'i Jehôvah raha mitaha amin'i Kristy nampitsahatra ny tafio-drivotra?
Iray amin'ireo fomba fanehoan'Andriamanitra ny Tenany amin'ny olombelona, na fisehoan'ny anjeliny amin'ny olona, io tantara ao amin'ny Mar. 4:35-41 io, izay antsoina hoe "teôfania". Misy singa dimy iraisan'ireny karazana tranga ireny: (1) ny fanehoan'Andriamanitra ny heriny, (2) ny tahotry ny olombelona, (3) ny baiko hoe "Aza matahotra", (4) ny hafatra avy amin'Andriamanitra na ilay anjeliny, (5) ary ny valiny asetrin'ny olombelona ilay hafatra. Efatra amin'ireo dimy ireo no hita fampitsaharana ny tafio-drivotra no fanehoan'Andriamanitra ny heriny - ny tahotry ny olombelona dia ny tahotry ny mpianatra - ny fanontanian'i Jesôsy hoe: "Nahoana no saro-tahotra hianareo?", dia mitovy amin'ny hoe "Aza matahotra"; ary ny fanontanian'ny mpianatra hoe: "Iza moa ity(...)?"no valiny asetrin'ny olombelona. Ny hafatra avy amin'Andriamanitra no tsy ao. Mifanaraka tsara amin'ny maha-boky manala sarona ny tsiambaratelo ny bokin'i Marka izany, izay hampisehoana ny tena marina momba an'i Jesôsy. Manosika ny mpamaky hahita ny hafatra avy amin'Andriamanitra, izay toa tsy ao, ny fanontaniana napetraky ny mpianatra hoe: "Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?"— Izy no Zanak'Andriamanitra, dia ny Tompo.
Saintsaino ny momba ny herin'Andriamanitra. Ahoana no hianaranao miantehitra amin'izany hery izany sy matoky Azy amin'ny lafiny rehetra eo amin'ny fiainanao?