Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA I - Nimroda sy Ninive.

Daty
Alahady 20 April 2025

Minoa ny Mpaminany: PM 1

Nohariana ho fonenana tsara indrindra ho an'ny taranak'olombelona ny saha Edena. Rehefa tafiditra ny fahotana dia voatery nesorin'Andriamanitra tamin'ny olombelona ilay saha sy ny hazon'aina, hatreto aloha.

Tsy maintsy niasa mafy ny olombelona teny ivelan'ny saha Edena, mba ho velona. Nihamafy ny fiainana, ny fahoriana sy ny hatsembohan'ny tavantsika no manjary tsy maintsy hahazoantsika hanina (Gen. 3:16-19). Nino sy natoky ireo ray aman-drenintsika voalohany fa hahita vahaolana hahazoana miverina indray ao Edena llay Mpanjaka ara-dalana; ary nitondra fanatitra teo am-bavahadin'ny saha Edena izy ireo, sady nanantena ilay fanavotana natolotr'Andriamanitra an'izao tontolo izao raha vantany vao lavo izy.

"Mbola naharitra nitoetra ela teto an-tany ilay fonena-mamy izay tsy azon'ny olona naleha intsony. (...) Teo am-bavahadin'ilay saha tsy manam-paharoa izay nohidin'ny anjely mpiambina sy nisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra, no nivorian'i Adama sy ny zanany mba hiankohofany teo anatrehan'ny Mpamorona sy hanavaozany indray ny voadim-pankatoavany. Taty aoriana, rehefa nanafotra ny tany ny onjam-paharatsiana ka efa hipaoka handevona ny olona noho ny helony ny Safo-drano, dia nesorin'llay tanana izay efa nametraka azy teto an-tany tsy ho ety intsony ny saha Edena. Fa amin'ny fotoana izay hamerenana indray ny toe-javatra rehetra ho amin'ny laoniny, amin'ny fotoana izay hisehoan'ny 'lanitra vaovao sy ny tany vaovao' (Apôk. 21:1), eny, amin'izay fotoana izay, dia haverina indray izy, ka ho be voninahitra noho ny tamin'ny fotoana nanolorana azy voalohany." - PM, tt. 39,40.

Ny sasany kosa nitady "vahaolana" avy amin'ny olombelona ihany mba hamahana ilay olana vaovao nipoitra, nipoitra, ary hitantsika fa nanorina tanana-fanjakana izy ireo, niezaka nanamora kokoa ny fiainana, ary angamba nanandrana nanamboatra indray izay very tany Edena.

Vakio ny Gen. 10:1-12. Eto no ampahafantarin'ny Baiboly antsika ireo fahefana põlitika lehibe maromaro, Izay mbola ho hita manerana ny Baiboly, anisan'izany i Ninive sy i Babilona. Araka ny fantatsika momba ny anjara tanan'ireo tanana ireo aty aorlana, iona ny hevitra azontsika tsoahina avy amin'ireo andininy ireo?

Misy ireo nanatsoaka hevitra rehefa namaky momba an'i Nimroda fa izy dia olona mahery fo mendri-kaja, tahaka irony mpiady mahery hita ao amin'ny anganon'ny mpanompo sampy irony. Kanefa ny namaritan'ny Baiboly azy ho "olona mahery tambonin'ny tany sy "mpihaza mahery teo anatrehan'i Jehôvah dia tsy fiderana azy. Nihevi-tena ho lehibe i Nimroda, ary ny fijoroany "teo anatrehan'i Jehôvah" dia fijoroana ho fanoherana an'Andriamanitra. Ny fielezan'ny fikomiana amin'Andriamanitra no hitantsika ao amin'ireo lahatsoratra ireo, fikomiana izay hisy hatrany mandra-pahatongan'ny fotoana izay hamongorana azy rehetra mandrakizay.

Nahoana ny fahotana amin'ny fikomiana amin'Andriamanitra no tsy misehoseho kokoa, tsy araka izay iheverantsika azy? Ahoana no hiarovantsika tena tsy hanana io toetra ratsin'ny olombelona io?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fampidirana.
Sun 27 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny didy voalohany indrindra
Mon 28 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 2
Tue 29 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 7
Wed 30 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny tany sy ny ranomasina
Thu 01 May 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Maminany indray
Fri 02 May 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fianarana fanampiny.
Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal