"Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana." Ohab. 3:13.
Mofon’aina:
Haren-tsarobidy maharitra tahaka ny fiainana mandrakizay ny tena fahendrena marina. Maro amin’ireo voalaza ho olon-kendry eo amin’izao tontolo izao no hendry araka ny tombana ataon’ny tenany fotsiny. Mionona amin’ny fahazoana ny fahendrena araka izao tontolo izao izy ireo ka tsy mba miditra velively eo amin’ny zaridainan’Andriamanitra mba hahafantatra ireo haren’ny fahalalana voarakitra ao amin’ny Teniny Masina. Mihevitra ny tenany ho hendry izy ka tsy mahalala ny amin’ny fahendrena tsy maintsy ananan’ny rehetra mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Ataony tsinontsinona ny bokin’Andriamanitra, kanefa raha nodinihiny sy nohajainy tsara izany dia ho nahazoany ny tena fahendrena.
Zava-miafina tsy hay takarina ho azy ireo ny Baiboly. Maizina aminy ireo fahamarinana lalina sy lehibe ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao, satria tsy ara-panahy no andinihany ny zava-panahy. Mila mianatra izy ireo fa ny fahatahorana an’i Jehôvah no fiandoham-pahendrena, ary raha tsy misy io fahendrena io, dia tsy misy Ianjany ny fianarany.
Ireo izay mitady fanabeazana ao amin’ny siansa, nefa tsy nianatra ny lesona momba ny fahatahorana an’Andriamanitra ho fiandoham-pahendrena, dia miasa tsy misy fahaizana sy fanantenana, misalasala ny amin’ny zavatra rehetra. Mety handray lesona avy amin’ny siansa izy ireo, saingy raha tsy manana fahalalana ny Baiboly sy fahalalana an’Andriamanitra izy dia tsy manana fahendrena marina. Ny olona tsy nianatra kosa, raha mahafantatra an’Andriamanitra sy i Jesôsy Kristy, dia manana fahendrena maharitra mihoatra lavitra noho ny olona avara- pianarana indrindra izay manamavo ny fampianaran’Andriamanitra aza. – SDABC, b. 3, t. 1156.
Tsy takatry ny sain’ny hendry eto amin’izao tontolo izao ny tena fahendrena marina. I Kristy ao anatintsika, Izay fanantenana ny voninahitra, no fahendrena miafina, dia fahendrena ambony toy ny lanitra. Be voninahitra sy mandrakizay ireo foto-kevitra lalin’ny fahamasinana. Ny fanandramana kristianina ihany no afaka manampy antsika hahatakatra izany, sy hahazo ny harem-pahalalana izay nafenina ao amin’ny torohevitr’Andriamanitra, fa ankehitriny naseho ho an’izay rehetra manana fifandraisana velona amin’i Kristy. – RH, 18 Jolay 1899.