MAHARI-PO SY MIANTRA
Be fahari-po sy fiantrana ilay Andriamanitry ny Baiboly, ary ao amin'i Jesosy Kristy no isehoan ireo fihetsehampon Andriamanitra ireo faratampony indrindra. Miray fo amintsika Andriamanitra (ampitahao amin'ny Isa. 63:9; Heb. 4:15); mahakasika Azy lalina ny fahorian'ny vahoakany (Mpits. 10:16; Lio. 19:41), ary vonona Izy ny hihaino sy hamaly ary hampionona azy ireo (Isa. 49:10,15; Mat. 9:36; Mat. 14:14).
Vakio ny 1 Kor. 13:4-8. Ahoana no anasan'ireo andalan-teny ireo antsika haneho taratra ny fitiavan' Andriamanitra mahatalanjona sy feno fahari-po eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa?
Irintsika ny hanana fifandraisana amin'ny olona izay maneho ny karazam-pitiavana voalazan'ny 1 Kôr. 13:4-8. Impiry anefa isika no mikatsaka ny hampiseho ireo toetra ireo amin'ny hafa? Tsy haintsika samirery ny hamindra fo sy halemy fanahy; tsy haintsika ny mifehy tena tsy hialona na hirehareha, tsy hanao izay tsy mahamendrika na ho tia tena. Tsy haintsika ny hanana fitiavana izay "mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra" ary "tsy ho levona mandrakizay - 1 Kôr. 13:7,8. Tsy ho hita taratra eo amin'ny fiainantsika ny fitiavana tahaka izany raha tsy vokatry ny Fanahy Masina irery ihany. Ary isaorana Andriamanitra noho ny amin'ny Fanahy Masina izay mandrotsaka ny Fitiavany ao am- pon'ireo izay ao amin'i Kristy Jesôsy, amin'ny alalan'ny finoana (Rôm. 5:5).
Noho ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny herin'ny Fanahy Masina, ahoana no ahafahantsika manisy setriny sy maneho taratra ny fitiavan'Andriamanitra izay vokatry ny fihetsehampo lalina nefa ara-drariny sy feno fahendrena mandrakariva? Voalohany, ny fiankohofana amin'ilay Andriamanitra fitiavana no valinteny mety indrindra ho an'izany. Faharoa, ny fanehoana fangorahana sy fitiavana feno fahalalahan-tanana amin'ny hafa no tokony hasetrintsika ny fitiavan'Andriamanitra. Tsy natao handray fampaherezana fotsiny isika ao amin'ny finoana kristianina fa tokony hazoto hampahery ny hafa koa. Farany, tokony ho tsapantsika fa tsy mahay manova ny fontsika isika, Andriamanitra irery no mahay manao izany.
Noho izany, andeha isika hangataka amin'Andriamanitra mba hanomezany fo vaovao hitiavana Azy sy hitiavana ny hafa - fitiavana madio sy voadio izay manandratra ny tsara ary manaisotra ny akofa tsy ho ao anatiny.
Aoka ho tahaka izao ny vavaka asandratsika: "ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, (...) mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan Andriamanitra Raintsika amin'ny fihavian'i Jesôsy Tompontsika mbamin'ny masiny rehetra." - 1 Tes. 3:12,13.
Nahoana ny fahafatesana amin'ny tena sy amin'ny fitiavan-tena ary amin'ny faharatsian'ny fo nofontsika no hany fomba hahafahana maneho izany karazam-pitiavana izany? Inona ny safidy azontsika atao mba hahatonga antsika ho faty amin'ny tena?