Miantso sy manasa ny olona rehetra Andriamanitra mba hanana fifamatoram-pitiavana ety dia ety Aminy (jereo ny Mat. 22:1-14). Anisan'ny fanekena izany antso izany ny fankatoavana ny baikon’Andriamanitra izay mandidy ny hitiavana Azy sy hitiavana ny hafa (jereo ny Mat. 22:37-39). Ny fahazoan'ny olona iray ireo tombontsoan'izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany dia miankina amin'ny fanapahany hevitra amin-kalalahana ny handray na hanosi-bohon-tanana ny fitiavan'Andriamanitra.
Matetika ny Baiboly no maneho fifamatoram-pitiavana manokana ifandraisan' Andriamanitra amintsika amin'ny fampiasana fanoharana momba ny mpianakavy na ny mpianaka. Ampiasainy manokana ny fanoharana momba ny fitiavan'ny mpivady na ny fitiavan'ny reny mendrika ny zanany. Ampiasaina ireny fanoharana ireny mba hanehoana ny fifandraisana manokana eo amin'Andriamanitra sy ny vahoaka izay nanaovany fanekena.
Mazava ny ambaran'ny Soratra Masina: tia ny olon-drehetra Andriamanitra. Ny andalan-teny be mpahalala indrindra ao amin'ny Soratra Masina no manambara izany fahamarinana izany, dia ny Jao. 3:16: "Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay."
Vakio ny Sal. 33:5 sy ny Sal. 145:9. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo mikasika ny fahalehibeazan'ny famindrampon'Andriamanitra sy ny fiantrany?
Tsianjery: "Jesôsy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy." - Jao. 14:23
« Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesôsy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra; ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako. » Lio. 3:21,22.
« Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesôsy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra; ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako. » Lio. 3:21,22.