Tsianjery: "Fa Izaho kosa manana fanambarana lehibe noho Jaona; fa ny asa nomen'ny Ray Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahin'ny Ray." - Jao. 5:36.
AaVakio ny Jao. 20:19-31. Inona ny lesona mikasika ny finoana sy ny fisalasalana azontsika sintonina avy amin'ny tantaran'i Tômasy? Inona ny fahadisoana lehibe nataony?
Enina andro mialoha ny Paska, dia tonga namangy an'i Maria sy i Marta ary i Lazarosy anadahiny (ilay natsangany tamin'ny maty) i Jesôsy. I Simona, ilay nositranina tamin'ny habokana, no nampiantrano ny lanonana ho fankasitrahana ny zavatra nataon'i Jesôsy taminy. Nanompo i Marta fa i Lazarosy kosa nipetraka teo amin'ny latabatra niaraka tamin'ireo nasaina (Jao. 12:1-8).
Inona no dikan'ny fihetsik'i Maria teto? Ahoana no mahatonga izany ho fijoroana ho vavolombelona maneho hoe iza tokoa i Jesôsy? Jao. 12:1-3.
Tsy menatra nanambara ny maha-Izy Azy na niantso vavolombelona hanambara ny momba Azy I Jesôsy , eny fa na dia efa nodimandry efa ela aza izany vavolombelona izany, anisan'izany i Abrahama. "Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly." - Jao. 8:56.
Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fijoroan'i Abrahama ho vavolombelona ka nampidirina tao amin'ny filazantsaran'i Jaona mihitsy? Gen. 12:3; Gen. 18:16-18; Gen. 26:4; Mat. 1:1; Ma. 3:25.
Olona isan-karazany no hita manerana ny filazantsaran'i Jaona, olona samy manana ny fiaviany sy ny finoany ary ny fanandramany - izay mijoro ho vavolombelona ny amin'i Jesôsy .