Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Diniho amim-pahatsoram-po ny teny.

Daty
Alatsinainy 14 April 2025

‘’Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.’’ Sal. 25:5. 

Mofon’aina:

Mampidi-doza ny manao ny nofo ho sandrintsika. Ny sandrin’Ilay hery tsy manam-petra no tokony hianteherantsika. An-taonany maro no efa nanambaran’ Andriamanitra tamintsika izany. Tsy maintsy manana finoana velona ao am-po isika, ary mikatsaka fahalalana sy fahazavana bebe kokoa.

Aza mitoky amin’ny fahendren’olombelona na ny fikarohana ataony, na iza izy na iza. Diniho ho an’ny tenanao manokana ny Soratra Masina, amin’ny fo mietry, ary esory ao an-tsainao ireo hevitra mibahana mialoha; tsy hahazo tombontsoa mihitsy ianao raha tsy mankeo amin’ny Tenin’Andriamanitra toy ny zaza. Izao no tokony holazainao: “Raha misy zavatra efa nomanin’Andriamanitra ho ahy, dia iriko ho azo izany. Raha misy olona efa nomen’ Andriamanitra porofo avy ao amin’ny Teniny fa marina ny zavatra iray, dia homeny ahy koa izany porofo izany. Ho hitako ny porofo raha dinihiko amim-bavaka sy faharetana ny Soratra Masina, ary amin’izay no hahafantarako fa mahalala ny marina aho.”

Tsy amin’ny fisainan’olon-kafa no tokony hitorianao ny fahamarinana, fa amin’ny fisainanao manokana. Rehefa resy lahatra ilay vehivavy samaritanina fa i Jesôsy no Mesia dia nihazakazaka nanambara izany tamin’ny namany sy ny manodidina azy izy (Jereo ny Jao. 4:29,30,41,42).

Tokony hitrandraka lalina isika mba hahita ny fahamarinana. Azo atao ny mifanontany sy mifampiresaka, raha toe-tsaina tsara no anaovantsika izany; saingy matetika loatra no mibahana ny “izaho”, ary raha vao manomboka ny fifanakalozana, dia miseho ny toe-tsaina tsy kristianina. Izany indrindra no mahafaly an’i Satana. Amim-panetren-tena kosà no tokony hikatsahantsika ny fahamarinana ho an’ny tenantsika. Ho avy ny andro izay hampisaratsaraka sy hampihahaka antsika, ary tsy maintsy hijoro samirery ny tsirairay, tsy hanan-tombontsoa hifampiresaka intsony amin’ireo mpiray finoana sarobidy aminy. Koa ahoana no ahafahanao mijoro raha tsy eo anilanao Andriamanitra, mitarika sy mitantana anao? Isaky ny mandalina ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly isika, dia eo amintsika Ilay Lohan’ny fiangonana. Tsy avelan’ny Tompo ho eo an-tanan’ny mpanamory tsy mahay ny familiana na dia indray mipi-maso aza. Afaka mandray baiko avy amin’Ilay Kapitenin’ny famonjena antsika isika. – RH , 25 Marsa 1890.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (32)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal