Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tokim-panavotana

Daty
Alatsinainy 03 February 2025

"Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony." — Gen. 3:15. 

Mofon’aina:
Tamin'ny fotoana nihintsanan'ny ravin-kazo sy ny felamboninkazo   no nahitan'i Adama sy ilay mpanampy sahaza azy ny famantarana voalohan'ny fahalovana. Nazava sy velona tao an-tsainy ny zava-misy marina fa ny zava-manana aina rehetra dia tsy maintsy ho faty. Eny fa na ny rivotra izay niankinan'ny fiainany aza dia nitondra ny voan'ny fahafatesana. (…)

Nijoro ho mpanjaka teo anatrehan'ny voary teo ambany fifehezany i Adama raha nitoetra ho mahatoky tamin'Andriamanitra, ary nanaiky ny fahefany izao rehetra izao; saingy rehefa tsy nankatò izy dia very izany fahefana izany. (...) Tsy ny fiainan'ny olombelona ihany, araka izany, no mitantara ny les ona mahonena mikasika ny fahalalana ny ratsy, fa ny toetry ny biby koa, ny hazo any an'ala, ireo ahitra eny an-jaridaina ary indrindra fa ny rivotra izay iainana.

Tsy nafoy anefa ny olona manoloana ny vokatry ny safidy ratsiny. (...) "Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony." - Gen. 3:15.

Ny didim-pitsarana notononina ho ren'ireo razambentsika dia nanjary teny fikasana ho azy. Nomena fehezanteny tsy latsa-danja amin'ny fanantenana izy ireo talohan'ny nandrenesany ny amin'ny tsilo sy ny hery, ny hasasarana sy ny alahelo izay tsy maintsy hihatra taminy, na ny vovoka izay tsy maintsy hiverenany. (...)

Averin'ny zavaboary amintsika koa izany fanambarana izany. Na eo aza ny fanimbana ataon'ny fahotana dia tsy ny famoronana ihany no asehon'ny zavaboary fa ny fanavotana koa. (...) Ma-nintsana ny raviny ireo hazo mba ho voarakotra indray amin'ny ravina vaovao maitso mavana; malazo ny voninkazo mba hamoaka hatsaran-tarehy vaovao indray; ary ny fanehoana hery hoenti-mamorona tsirairay dia antoka ho antsika fa mbola hohavaozina indray isika amin'ny "fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana" - Efes. 4:24. (...)

Arakaraka ny hipariahan'ny ratsy no ahenoana ny feon'Ilay Raintsika milaza amin'ireo zanany mba hijery ny toetry ny fahotana eo amin'izay vokatr' izany, ary koa mampitandrina azy hahafoy ny ratsy sy manasa azy hanaiky ny tsara. — Fk, tt. 22-24. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal