Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Maneho ny fitiavan'i Kristy

Daty
Alahady 24 November 2024

"Ary hoy indray Jesôsy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa." - Jao. 20:21 

Mofon’aina:
Aoka hokatsahintsika amin'ny fontsika manontolo ny hahalala sy hankamamy ny fahamarinana mba hanehoantsika izany amin'ny hafa, araka izay toetr'izany ao amin'i Jesôsy. (...) Ilaintsika ny mikatsaka ny hahalala ny lalan'Andriamanitra sy hiasa mifanohitra amin'ny fitiavan-tena, ary ny vavaka tokony hataontsika tsy ankijanona dia ny hananantsika ny sain' i Kristy (...). Ny fibanjinana an' i Jesôsy sy ny toetrany maha-te ho tia no hahatonga antsika ho voaova hanahaka ny Endriny. Homeny fahasoavana izay rehetra mitandrina ny lalàny, sy manao ny sitrapony ary mandeha amin'ny fahamarinana. (...)

 Iangaviako ianareo izay manana ny anaranareo voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiangonana amin'ny maha-mambra mendrika, mba ho mendrika tokoa, noho ny fahamarinan'i Kristy. Ny famindram-po sy ny fahamarinana ary ny fitiavan'Andriamanitra no ampanantenaina ny olona manetry tena sy torotoro fo. (...)

Talanjona ny lanitra manontolo, raha mahita ny olona tsy miraika sy mangatsiaka ary tsy rototra eo anatrehan'izany fitiavana izany (...). 

Efa nangonina hatry ny ela ny haren'ny fahamarinana tsy manam-petra. Tsy misy fanehoana mety mahalaza ny habetsany sy ny velaran'izany harena izany. Miandry ny fangatahan'ireo izay tia azy izany (...). Ireo vahoakan'Andriamanitra sisa no tokony hanangona ireo vatosoan'ny fahamarinana ireo ary hanome izany ho an'izao tontolo izao. Ny fanahy matoky tena sy mafy hatoka kosa dia mandà tsy handray izany harena izany. "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." -Jao. 3:16. Tsy hay refesina io fitiavana io, ary tsy misy teny mahalaza azy. (...) Fitiavana izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra izany. (...)

Irin'Andriamanitra ny hifankatiavan'ireo vahoakany tahaka ny itiavan'i Kristy antsika. Asainy manabe sy manofana ny fanahy ho amin'izany fitiavana izany izy ireo. (...) Aoka haneho ny fahatanterahan'i Kristy amin'izao tontolo izao ireo izay efa tonga mpandray anjara amin'ny fahasoavany. Tokony hanao izay nataon'i Kristy ho an'ny Ray izy ireo - maneho ny Toetrany. - RC, t. 290. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal