Vakio ny Sal. 106. Inona ireo franga ara-tantara aseho eto mbamin'ny lesona entin'izany?
Miresaka ny amin'ireo tranga lehibe teo amin'ny tantaran'ny Isiraely koa ny Sal. 106, ao anatin'izany ny fanafahana tao Egipta, ny fivahiniana tany an'efitra, ary ny fiainana tao Kanana. Avohiny ny fahotana mamohehatra nataon'ireo razambe, izay niangona tao amin'ilay taranaka lasan-ko babo. Araka izany, azo inoana tokoa fa nosoratana tamin'ny fotoana naha-tao Babilôna ny firenena io Salamo io, na taorian'ny nodiany tamin'ny taniny, izay nandraisany tsindrimandry avy amin'ny Fanahy Masina, ka nitantarany tamin'ny vahoakan'Andriamanitra ireo zava-nitranga teo amin'ny tantarany sy ny lesona tokony ho notsoahiny tamin'izany.
Toy ireo Salamo hafa koa, ity Salamo ity dia maneho fa mahatoky amin'ny fanekem-pahasoavany Andriamanitra, izay efa namonjeny ny olony tamin'ny andro lasa (Sal. 106:45). Maneho fanantenana izany fa mbola haneho indray fankasitrahana ny olony mibebaka Andriamanitra ka hanangona azy avy amin'ny firenen-tsamihafa (Sal. 106:47). Ny fitalahoana fanafahana eto dia tsy faniriana mamelovelo fotsiny fa vavaka amim-pinoana, miorina amin'ny fahazoana antoka ny fanafahana nataon'Andriamanitra tamin'ny lasa (Sal. 106:1-3) sy ny fahatokiany tanteraka amin'ny fanekena nataony tamin'ny olony.
Ny fitantarana ireo tsy fahombiazan'ny Isiraely dia anisan'ny fibabohana ny helok'izy ireo sy fiaikena fa tsy tsara noho ny razany izy. Manaiky ilay taranaka eto fa ratsy lavitra noho ny razany aza izy satria efa nahita ny vokatry ny fahotan'ireo taranaka lasa sy ny nanehoan'Andriamanitra faharetana sy fahasoavana tamin'ny namonjeny azy ireo, na dia ninia tsotra izao nandeha tamin'ny lalan- dratsy aza ireo. Raha izany no tsapan'izy ireo tamin'izany andro izany, tsy tokony hanoatra noho izany ve isika izay nanambarana ny toetran'Andriamanitra sy ny fahasoavany mamonjy araka izay hita ao amin'i Jesôsy sy ny hazo fijaliana?
Ity no vaovao mahafaly ao amin'ny Sal. 106: lehibe lavitra noho ny fahotan'ny olona ny fitiavan'Andriamanitra tsy miova (Sal. 106:8-10, 30, 43-46). Ny anjara asa lehibe notanan'i Mosesy sy i Finehasa tamin'ny fampitsaharana ny fahatezeran'Andriamanitra dia maneho ny maha-zava-dehibe ny asa fanelanelanana ataon'i Kristy ho an'ny mpino. Ny fanandraman'ny tenantsika manokana ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany no mahay manova ny tantara lasa ho tantarantsika.
Izao no voalaza ao amin'ny Sal. 106:13: "Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony". Nahoana no mora mahazo antsika koa izany eo amin'ny fiainana?