Vakio ny Jao. 13:35 sy ny 1 Jao. 4:21. Inona no ambaran'ireo andininy ireo eo anatrehan'ny fihaikana ataon'i Satana amin'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ao amin'ilay fifanandrinana lehibe? Inona no ambaran'izany amintsika momba ny maha-zava-dehibe ny fivavahana kristianina tena izy?
Ny fitiavana no fenitry ny fiarahamonina kristianina nandritra ireo taonjato voalohandohany. Izao no nambaran'i Tertullien: "Ny asa vokatry ny fitiavana ambony indrindra no mitarika olona maro hametaka famantarana eo amintsika. Jereo, hoy izy ireo, fa mifankatia izy ireo". (Jereo ny Terullian's Apology 39, nadikan'i S. Thelwall ao amin'ny https://www.logoslibrary.org/tertullianiapology/39.html.).
Fomba iray anisan'ny lehibe indrindra nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra no niseho rehefa namely tamin'ny taonjato voalohandohany nisian'ny fiangonana, tamin'ny 160 sy 265 TrK, ny areti-mandringana. Nitondra fanampiana ho an'ireo narary sy ireo ambavahoana ny Kristianina. Namono olona an'alina ireo areti-mandringana ireo ary namely tanana madinika sy tanan-dehibe maro tsy hisy mponina. Nisy fiantraikany lehibe teo amin'ny mponina ny asa fanompoana feno fandavan-tena sy fahafoizana ny aina, ary feno fiahiana sy fitiavana nataon'ireo Kristianina. Rehefa nandeha ny fotoana dia mponina an'arivo, avy eo an'alina ary farany an-tapitrisa tao amin'ny fanjakana rômanina no tonga mpino an'i Jesôsy nandritra ireo valanaretina roa ireo. Ny fitiavana, ny fiahiana ary ny fikarakarana voarindra sy feno fandavan-tena natao tamin'ireo marary sy ireo ambavahoana no nahatonga ny olona voasarik'ireo mpino ireo sy ilay Kristy izay nosoloany tena.
Ny asan'i Rodney Stark, "The Rise of Christianity", dia fitantarana moderina izay maneho ireo toe-javatra ara-tantara ireo amin'ny fomba fisehony vaovao sy nohatsaraina. Lazainy ao ny fomba niovan'ny fiarahamonina kristianina manontolo nandritra ny valanaretina faharoa (260 TrK) ho tena tafika mpitsabo mpanampy nitondra ireo filana fototra mba hahaveloman'ny fiarahamonina izay tanatin'ny fanaintainana. Tamin'ny fotoana nampirongatra indrindra ilay valanaretina faharoa, manodidina ny taona 260 dia nanoratra taratasin'ny Paska iray i Dionysos ho fankasitrahana ny ezaka feno herim-po nataon'ireo Kristianina teo an-toerana noho ny fitsaboana nataon'izy ireo; betsaka tamin'izy ireo no namoy ny ainy raha teo am-pikarakarana ny hafa.
"Naneho fitiavana sy fahatokiana tsy misy fetra ny ankamaroan'ireo rahalahintsika kristianina ka tsy nikely aina velively ary tsy nihevitra afa-tsy ny hafa. Tsy nanahy ny amin'ny loza izy ireo fa nikarakara ny marary, namely ny filan'izy ireo rehetra ary nitsabo azy ireo tao amin'i Kristy, ary niaraka tamin'izy ireo no nandaozany ity tany ity tamim-pitoniana feno fiadanana satria nifindran'ny aretin'ny marary hafa izy ireo; nanjary tao aminy ny aretin'ireo namany ary nekeny tamim-pifaliana ny fanaintainany." —Rodney Stark, The Rise of Christianity (Princeton, New Jersey: Princeton University Press, 1996), t. 82.
Inona ny hafatra mazava alefa amintsika eto? Ahoana no hianarantsika ho faty ny amin'ny tena mba hahafahantsika maneho toe-tsaina manda tena toy izany? Tsy mora izany, sa tsy izany?