Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY LOHARANON’NY FIAINANA - Tsy mandray Ilay loharanon’ny Fiainana

Daty
Alarobia 27 November 2024

Hita ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ny sasany amin'ireo tantara mam-palahelo indrindra ao amin'ny Soratra Masina: "Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy. (...) Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy. Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy." - Jao. 1:5, 10, 11. Nolavin'ny maro tamin ireo olony Ilay "Izaho, izay Izy".

Tsy mahagaga raha toa nampitandrina i Paoly taty aoriana hoe: "Koa aza manary ny fahasahianareo" Heb. 10:35. Araka izay efa naverimberina tamintsika dia nolavina i Kristy satria tsy nandray ny Teniny ny olona.

"Miantomboka amin'ny fisalasalana ny fomba fisainan'ny olombelona amin'ny vanim-potoana ankehitriny. Mametra-panontaniana mikasika ny zavatra rehetra ny olona mba hamantarana ny marina. Izay mahajoro aorian'ny afon'ny fanadihadiana mivaivay no eken'izy ireo ho fahalalana mafy orina toy ny vatolampy, dia zavatra izay azony ametrahana ny finoany. Mampihatra izany fomba fiasa izany amin'ny Baiboly ny olona sasany ka mametra-panontaniana momba ny zavatra rehetra ary miantehitra amin'ny fomba fijery ara-tsiansa, ara-tantara, ara-psikolojia, araka ny fahalalana momba ny fahagola na koa ny fahalalana momba ny haibolantany ("géologie"), mba hahafahany mamaritra izay marina ao amin'ny Baiboly. Ny fisalasalana momba ny fahamarinan'ny Soratra Masina no iaingan'izany fomba fiasa izany sy iorenany. Hoy i Kristy: "raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana ety ambonin'ny tany va Izy?" - Lio. 18:8." - E. Edward Zinke and Roland Hegstad, The Certainty of the Second Coming, (Hagerstown, MD: Review and Herald Publishing Association, 2000) t. 96.

Vakio ny Nom. 13:23-33. Inona no nahasamy hafa ireo tatitra nataon'ireo mpisafo tany rehefa niverina avy tany Kanana?

Ny fahotan'ny Hebreo fony izy ireo tao Kadesy Barnea dia ny nisalasalany momba ny Tenin'Andriamanitra. Nasain'Andriamanitra niakatra mba haka ny tany izy ireo. Mpisafo tany roa ambin'ny folo no nalefa tany Kanana mba hisafo ny tany. Niverina izy ireo ary nitondra tatitra roa. Tatitra miiba no nentin'ny ankamaroany: "misy olona vaventy be ao amin'ilay tany, mimanda ny tanana, manana fitaovam- piadiana tsy mbola fahita hatrizay ireo olona ao ary tsara hofana ny tafiny. Isika anefa nandevozina tany amin'ny tany Egipta, ary zara raha manana traikefa ara- tafika." Rehefa izay dia nifidy ny "tsia" ireo mpisafo tany, safidy niorina teo amin'ny porofo araka ny fomba fijerin'olombelona izany. Ireo mpisafo tany roa izay nandany ny "eny" mba hakana ny tany kosa dia nampiorina ny finoany teo amin'ny herin'ny Tenin'Andriamanitra.

Ahoana no isorohantsika ny famerenana ny fahadisoana izay nataon'ny Isiraelita teto? Eo ankilan'izany anefa, ahoana no ialantsika amin'ny fitompoan-teny fantatra, izay mahatonga antsika hanao hadalana kanefa mino isika fa manao ny sitrapon'Andriamanitra ka hahomby?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Fampidirana
Sun 18 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Ilay Mpisoronabentsika
Mon 19 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Eo an-tendrombohitra Ziona.
Tue 20 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Ny làlana ao am-pontsika.
Wed 21 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Salamo 5.
Thu 22 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Hampianatra ny olon-diso ny làlanao.
Fri 23 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny
Sat 17 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal