Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FAHATOKIANA EO ANIVON'NY FANENJEHANA

Daty
Talata 09 April 2024

Haingana dia haingana tokoa ny fitomboan'ny fiangonana kristianina nandritra ireo taonjato voalohany nisian'ny fivavahana kristianina, na dia teo aza ny fampidirana am-ponja sy ny fampijaliana ary ny fanenjehana. Mpino mahatoky, izay nanolo-tena tanteraka ho an'i Kristy ary feno ny Fanahy Masina no nitory ny tenin'Andriamanitra tamin-kery; fiainana maro no voaova ary olona an'alina no niova fo.

Vakio ny Asa. 2:41; Asa. 4:4, 31; Asa. 5:42; sy ny Asa. 8:1-8. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny fihaikana natrehin'ny fiangonan'ny Testamenta Vaovao sy ireo antony nahatonga azy hitombo haingana tokoa?

Niatrika fandrahonana (Asa. 4:17), fampidirana am-ponja (Asa. 5:17,18), fanenjehana (Asa. 8:1), ary fahafatesana (Asa. 7:59; Asa. 12:2) ireo mpianatra, saingy tamin'ny herin'ny Fanahy Masina no nitorian'izy ireo an'i Kristy nitsangana tamin'ny maty; ary nitombo isa eran'i Jodia sy Galilia ary Samaria ny fiangonana (Asa. 9:31).

Voahozongozona ny manda fiarovan'ny helo. Tapaka ny rojo famatoran'i Satana. Nirodana teo anatrehan'ny herin'ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty ny finoanoam-poan'ny mpanompo sampy. Nandresy teo anatrehan'ireo sakana lehibe ny Filazantsara. Tsy niafina tao amin'ny efitrano ambony intsony ireo mpianatra. Nisinda toy ny haizina mihalefy ny tahotra.

Nanjary nameno ny fon'ireo mpianatra ny finoana. Nanova ny fiainan'izy ireo ny topy maso iray nataon'llay Tompony izay natsangana tamin'ny maty. Nanome azy ireo antony vaovao hahavelomana i Jesôsy. Tsy ilay Iraka Lehibe fotsiny ihany no nomen'ny Tompontsika azy ireo (Mar. 16:15) fa nomeny azy koa ny teny fikasana lehibe hoe: "Fa hahazo hery hianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany." - Asa 1:8

Tafiditra tany amin'ny toerana lavitra indrindra eto an-tany ny Filazantsara (Kôl. 1:23). Na dia maty tamin'ny fiafaran'ny taonjato voalohany aza i Jaona, ilay mpianatr'i Jesôsy farany, dia nandray ny fanilon'ny fahamarinana ny hafa ka nitory an'i Kristy velona. I Pline le Jeune, governoran'ny faritany romanina any Bithynie, tany amin'ny sisiny avaratr'i Turquie amin'izao fotoana izao, dia nanoratra tamin'ny amperora Trajan manodidina ny taona 110 TrK. Zava-dehibe tokoa ny fanambarana nataon'i Pline satria manodidina ny 80 taona taorian'ny fanomboana an'i Jesôsy tamin'ny maty no nisehoan'izany. Nitantara ireo fitsarana Ofisialy izay notarihiny mba hitadiavana sy hamonoana ireo Kristianina Pline. Izao no nambarany: "Olona maro amin'ny sokajin-taona rehetra, amin'ny saranga rehetra, na lahy na vavy no tandindomin-doza noho ny fiampangana maro ary hitohy izany. Niparitaka tsy teo amin'ny tanan-dehibe ihany fa tany amin'ny tanana madinika sy ny faritra ambanivohitra ny fifindran'ity finoanoam-poana [fivavahana kristianina] ity." - Henry Bettenson, Documents of the Christian Church (New York: Oxford University Press, 2011), t. 4. 

Na teo aza ny fanafihana masiaka indrindra nataon'ny devoly dia nitombo haingana dia haingana ny fiangonana kristianina.

Inona no azontsika ianarana avy amin'ny fiangonana voalohany izay mety hanampy antsika fiangonan'ny andro farany? 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal