Toe-javatra mampalahelo no mameno ny Jao. 11 — ny vaovao ratsy momba ny aretin'ny sakaiza tiana iray (Jao. 11:1-3); ny fitomaniana noho ny nahafatesany (Jao. 11:19,31,33); ny fitarainan'ireo anabaviny ny amin'ny tsy naha-teo an'i Jesôsy satria raha teo Izy dia tsy ho faty toy izao ny anadahiny (Jao. 11:21,32); ary ny nitomanian'i Jesôsy (Jao. 11:35).
Vakio ny Jao 6:14,15,26-36. Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona manoloana ny fahagagana nataony, ary ahoana no nampiasan'i Jesôsy izany mba hampianarany azy ireo mikasika ny maha-lzy Azy?
Nanantena mesia eto an-tany, izay hanafaka azy ireo amin'ny fampahorian'ny fanjakana rômanina, ny mponin'ny Jodia. Ireto roa ireto no mampanano sarotra indrindra mandritra ny ady: ny famahanana ny vahoaka, ary ny fikarakarana ny marary sy ny maty. Nasehon'i Jesôsy tamin'ireo fahagagana nataony fa hainy atao ireo roa ireo.
Tian'i Jaona apostôly homarihina mazava ao amin'ny Jao. 6:4,5 fa akaikin'ny fotoan'ny Paska no namahanana ireo olona tokony ho dimy arivo. Natao hahatsiarovana ny fanafahana ny Isiraely avy tao Egipta ny Paska. Ny zanak'ondrin'ny Paska no maty nisolo toerana ireo lahimatoan'ny Jiosy. Maneho ny nahafatesan'i Jesôsy ho antsika io sorona io. Teo amin'ny hazo fijaliana no nizakan'i Jesôsy ny famaizana mendrika antsika noho ny fahotantsika. Voavono tokoa i Kristy, Paska ho antsika (1 Kôr. 5:7).