Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY HAFATRY NY ANJELY TELO SY NY ASA NANIRAHANA AZY

Daty
Alatsinainy 18 December 2023

Ny bokin'ny Apokalipsy dia maneho an- tsary antsika amin'ny fomba makery vaika ny lohahevitry ny fifanandrinana lehibe izay, izay azo lazaina ho ny ao amin'ny Apok. 12:12 no manaitra indrindra: "Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo my devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny." Sarotra ny mety hahatakaran'ny olona iray ny Soratra Masina raha tsy miainga amin'ny foto-kevitry ny fifanandrinana lehibe, izay ho tonga amin'ny faratampony amin'ny andro farany.

Vakio ny Apôk. 14:6-12. Inona no hazavaina eto ary inona no ifandraisan'ireo andininy ireo sy ny iraka ampanaovina antsika ary ny hafatra entintsika?

Ilay hafatra, dia ny hafatr' Andriamanitra: ny filazantsara, no ivon'ilay iraka, dia ny asan' Andriamanitra. Raha ny marina dia ilay hafatra no iraka. Mila fampitandremana ny amin'izay miandry azy izao tontolo izao, ary ny olona tsirairay dia ho voatery hanao safidy, na ho amin'ny flainana, na ho amin'ny fahafatesana.

"Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka." Lio. 11:23. Inona no ambaran'l Jesôsy eto izay mahakasika mivantana ny iraka ampanaovina antsika?

Ny hafatry ny anjely telo ao amin'ny Apôk. 14 no votoatiny sy ivon'izay niantsoana antsika, Advantista mitandrina ny andro fahafito, mba hotorina amin'izao tontolo izao. Ireto roa ireto no lohahevi- dehibe iorenan'izany: ny "filazantsara mandrakizay" (Apôk. 14:6) sy ny flankohofana amin'ny Mpamorona. Hita ao amin'ny fanoritsoritana ny olo-masina ireo lohahevitra roa ireo: "Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy."- Apôk. 14:12. Na inona na inona zavatra hafa ataontsika-ny asa tsara rehetra ataontsika amin'ny fanampiana olona - dia tsy azontsika hadinoina na oviana na oviana ny flantsoana antsika sy ny iraka manokana nampanaovina antsika, dia ny hitory amin'izao tontolo izao very ny fanantenana hita ao amin'ny "filazantsara mandrakizay", ary koa ny hampitandrina an'izao tontolo izao ny amin'izay miandry azy indray andro any.

"Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy." Lio, 11:23. Ahoana ny fahazoanao izay lazain'i Jesôsy amintsika eto? Nahoana no tokony hahatonga antsika handinika ny toerana misy fontsika marina ireo teny ireo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal