Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

HAZAVAIN'NY FANAHY

Daty
Talata 30 April 2024

Indray andro raha nianatra tao amin'ny trano famakiam-bokin'ny oniversite i Martin Luther dia tonga teo amin'ny kihon-dalan'ny fiainany. Nahita dika mitovin'ny Baiboly amin'ny teny latina izy. Tsy azony an-tsaina akory ny fisian'ny boky toy io talohan'izao. Tamim-pahafinaretana no namakiany ny toko tsirairay, ny andininy tsirairay. Talanjona izy ny amin'ny fahazavana sy ny herin'ny Tenin'Andriamanitra. Rehefa namaky ireo pejin'ilay boky izy dia nanazava ny sainy ny Fanahy Masina. Tsapany fa nitarika azy ny Fanahy Masina satria ireo fahamarinana nohamaizinin'ny fomban-drazana dia toa niseho mazava avy tao amin'ireo takilan'ny Soratra Masina. lzao no nosoratany raha nanondro ny fanandramana voalohany niainany niaraka tamin'ny Baiboly izy: "Raha mba omen'Andriamanitra boky toy izao ho ahy mantsy aho!"

 Inona avy ireo foto-kevitra azontsika raisina avy amin'ireto andininy manaraka ireto mikasika ny fomba tokony hahatakarantsika ny hevitry ny voalazan'ny Baiboly? Jao. 14:25,26  Jao. 16:13-15  2 Pet. 1:20,21

Ny tena manan-danja lehibe ao amin'ireo andininy ireo dia ny fanomezan-toky fa io Fanahy Masina izay nanindry mandry ireo mpanoratra ny Baiboly io ihany no mitari-dalana antsika eo am-pamakiantsika ny Soratra Masina. Izy no mpanazava ny fahamarinan'Andriamanitra. Indrisy fa maro ireo mitonona ho Kristianina ankehitriny no manamaivana ny maha-avy amin'Andriamanitra ny Baiboly fa manasongadina kosa ny maha-olombelona ao anatiny. Tsy azon'i Satana atao intsony mantsy ny manakana antsika tsy hamaky Baiboly, koa ity indray no fomba manaraka mahomby indrindra ataony: esoriny ny toetra maha-avy amin'Andriamanitra ny Baiboly, ary ataony toy ny asa soratra tsara fotsiny izany, na ratsy noho izany, ataony fitaovana famoretana hifehezana ny vahoaka ara-pivavahana.

Hitan'ireo mpanavao fivavahana mazava fa ny Fanahy Masina — fa tsy ny pretra, na ny mpitari-pivavahana, na ny papa — no mpanazava tsy mety diso ny Soratra Masina. Nisy fifanakalozan-kevitra mahaliana teo amin'i John Knox, ilay mpanavao fivavahana Ekôsey sy i Mary mpanjakavavin'i Ecosse voarakitra an-tsoratra. "Hoy i Maria: Ianao mandray ny Soratra Masina amin'ny fomba iray, ary ny mpampianatra katolika Romana mandray azy amin'ny fomba hafa; koa iza no hinoako, ary iza no hitsara izany? 'Aoka hino an'Andriamanitra Izay miteny amin'ny fomba mazava ao amin'ny teniny ianao, hoy ny navalin'ny Mpanavao fivavahana; `amin'izay tafahoatra noho ny tenin’Andriamanitra dia aoka ianao tsy hino na ny andaniny na ny ankilany. Mazava ho azy ny tenin’Andriamanitra; ary raha misy maizimaizina amin'ny toerana iray, dia ny Fanahy Masina, Izay tsy manohitra ny tenany na oviana na oviana, no manazava izany bebe kokoa amin'ny toeran-kafa, hany ka tsy mety hisy fisalasalana ho tafatoetra afa-tsy amin'izay mikiribiby hijanona eo amin'ny tsy fahalalany.'" - David Laing, The Collected Works of John Knox, boky 2. pp. 281, 284. — HM, t. 259. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal