Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: NY FITIAVANA NO FAHATANTERAHANA NY LALANA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 28 March 2025

Vakio ny IFM, toko 70: "Ny kely indrindra amin'ny rahalahiko".

"Izay manompo ny hafa dia hotompoin'llay Mpiandry ondry Lehibe. Izy mihitsy no hisotro amin'ny rano velona, ka ho afa-po. Tsy haniry fanalana andro manaitaitra izy, na fiovana eo amin'ny fiainany. Ny foto-kevitra hahaliana azy dia ny hoe: 'ahoana ny hamonjena ny fanahy efa ho very?'. Hisy vokany ny fifandraisana eo amin'ny fiarahamonina. Hitarika ny fo hiray ny fitiavana ny Mpanavotra.

"Rehefa zava-misy amintsika ny maha-mpiara-miasa amin'Andriamanitra antsika, dia tsy hisy tsy firaihana eo amin'ny filazantsika ny teny fikasany. Handoro ao am-pontsika izany, ka hirehitra eo amin'ny molotsika. Raha nantsoina hanompo vahoaka kely fahalalana, tsy fehezin-dalána sy mpikomy i Mosesy, dia nomen'Andriamanitra azy ny teny fikasana hoe: 'Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho'. Hoy koa Izy: 'Homba anao tokoa Aho' - Eks. 33:14; 3:12. lo teny fikasana io dia ho an'izay rehetra miasa mafy eo amin'ny toeran'i Kristy ho an'ny tra-pahoriana sy ny mijaly." - IFM, tt. 534,535. (ed. 2023).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Vakio ny 1 Kôr. 13:4-8. Tokony ho karazan'olona manao ahoana isika araka ny 1 Kôr. 13?

2. Inona no mampiavaka ny ondry sy ny osy ao amin'ny Mat. 25:31-46? Ahoana no hahatakarantsika izay lazain'i Jesôsy eto, fa tsy mampianatra ny famonjena amin'ny alalan'ny asa izany?

3. Midika inona ho anao ny hoe "rehefa tia izao tontolo izao tahaka ny nitiavany azy isika, amin'izay dia tanteraka ho antsika ny asa nanirahana Azy. Vonona ho any an-danitra isika satria manana ny lanitra ao am-pontsika" (jereo ny Lesona Alakamisy)? Inona no ambaran'izany momba ny toetran'Andriamanitra sy ny lanitra mihitsy? Ahoana no hahatonga antsika hiaina toy ny olom-pirenen'ny lanitra dieny eto araka izany, ka hizara ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny fitondrana fahazavana sy fanomezana rariny ny ampahorina?

4. Inona avy ireo fampiharana tokony hataon'ny fiangonana misy anao mba hanehoana fa zava-dehibe amin'Andriamanitra ny fitiavana sy ny rariny eo amin'ny fiarahamonina? Inona ny asa tsara ataonareo eo amin'ny fiarahamonina? Inona no ilainareo hatsaraina sy hifantohana bebe kokoa? Inona avy ireo dingana azon'ny tsirairay na ny besinimaro atao mba hampiharana ny lesona nianarantsika momba ny fitiavana sy ny fahamarinan'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal